Dossier

Harena sarobidin’i Madagasikara Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Nahazo vahana indray tato ho ato ny fikasana hanondrana ny harena sarobidin’i Madagasikara, araka ny tatitry ny fadin-tseranana Malagasy. Anisany ny saika amoahana safira teny Ivato tamin’ny alatsinainy lasa teo izay nataona vehivavy Indiana 2.

 

 

 Vao tamin’ny 19 jona ihany koa nefa no nahatrarana volamena milanja 925 grama mbola nataona vehivavy iray teratany indiana ihany. Tamin’ny 8 septambra dia vehivavy indiana hafa koa no tratehaka saika hanondrana volamena 305 grama saika hoentina atsy amin’ny Nosy Maorisy. Ankoatra izay dia tratra ihany koa ny fikasana hanondrana an-tsokosoko volamena milanja 940 grama tamin’ny talata sy alarobia lasa teo. Teny amin’ny fadintseranana Ivato avokoa no nahatrarana ireo nandritra ny fisavana entana sy vatana nataon’ireo tompon’andraikitra. Nisy ihany koa ny fikasana hampiditra basy mahery vaika tsy nahazoana alalana tamin’ny sidina iray avy any Frantsa ny volana aogositra nataona vehivavy Malagasy araka ny tatitry ny fadin-tseranana hatrany. Betsaka ihany koa ireo tsy tratra izay lasa mpanefoefo tampoka amin’ny fanondranana ny harena sarobidin’i Madagasikara.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT