Dossier

Harena azo amin’ny tsy ara-drariny Hisedra olana ireo banky Malagasy


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

Nanao fanambarana ny teo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa tsy feno ny fepetra hanatanterahana fifidianana solombavambahoaka amin’ny 20 martsa izao.

 

 

Olana mikasika amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna dia mipetraka ny fahabangana eo amin’ny Andrim-panjakana (vide institutionnel) satria tsy eo ny Antenimieram-pirenena, izay fahefana mpanao lalàna ary izy rahateo araka ny and. 54 ao anatin’ny lalàmpanorenana no tokony hanolotra ny anaran’ny praiminisitra izay avy amin’ny antoko maro an’isa. Tokony hisy ny fivoriana ara-potoana  voalohany amin’ity taona 2019 satria maro ny lalàna tokony hampadaniana an’ireo depiote na efa voapetraka ihany koa. Ohatra, voafaritra ao anatin’ny fifanarahana iraisam-pirenena GAFI fa tsy maintsy mialoha ny volana aprily ho avy izao no holanian’ny antenimiera roa tonta ny lalàna mahakasika ny fitakiana sy famerenana harena azo avy amin’ny tsy ara-drariny. Tsy tontosa izany tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo kanefa raha tsy vita dia hisy fiantraikany any amin’ireo banky Malagasy. Antony, tsy afaka hifandraharaha amin’ny banky iraisam-pirenena ireo banky Malagasy. Na dia afaka hisolo toerana ny Antenimieram-pirenena aza ny Antenimierandoholona mahakasika ny fahefana mpanao lalàna dia hafa ihany ny olona voafidim-bahoaka no mandany ny lalàna fa tsy olona notendrena.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT