Omaly alakamisy 30 aogositra no navoaka ny tatitra miompana amin’ny harena ankibon’ny tany fanaon’ny ITIE (Initiative pour la Transparence dans les Industries Extractives) isan-taona.
Isan-taona dia mijanona amin’ny fampitahana tsotra ny vola voarain’ny fanjakana avy amin’ny orinasa misehatra amin’ny harena ankibon’ny tany ny tatitra. Manomboka izao kosa dia misy mihitsy ny fijerena amin’ny antsipirihany ny vaovao momba ireo tompona orinasa miasa sy mitrandraka ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara. Ohatra amin’izany ny fanondranana volamena izay tokony ho fantatra mazava mba hananganana sy hanoratana ny tatitra. Niaiky ny minisitry ny harena ankibon’ny tany Henry Rabary Njaka ny tsy fahafenoan’ny tatitra satria mbola maro ny kaompania mitrandraka tsy manome ny vaovao rehetra tokony ho fantatra. Tatitra ny taona 2015 sy 2016 moa no natao ary nanambara ny ITIE fa 150 miliara Ariary ny vola voarain’ny fanjakana tamin’ny taona 2015 ary nihena kely ny taona 2016 noho ny fidinan’ny vidim-bokatra iraisam-pirenena. Nanambara mazava ihany koa ny mpanao tatitra ITIE ny amin’ny tsy fahampian’ny fanazavana ny amin’ireo orinasa ananan’ny fanjakana fampiasam-bola.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.