Dossier

Harena ankibon’ny tany - Fasimainty Tsy mbola mitrandraka ny orinasa Base Toliara


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Nanao fanambarana ny Tale jeneralin’ny Base Toliara, Jean Bruno Ramahefarivo fa tsy misy zavatra miafina ny antontam-baovao na ny antontanisa ao amin’ny orinasa hitrandraka fasimainty fa misokatra ho an’ny rehetra.

 

 

 

Tsy mbola manomboka ny fitrandrahana raha tsy efa tafajoro ny ozinina hanodinana ny akora, hoy izy. Amin’ny fiandohan’ny taona 2020 izao no hanomboka ny fanamboarana ny ozinina. Nanazava ny tsy mampitombina ireo ahiahy rehetra mikasika ny toeram-pitrandrahana ihany koa ny tenany ka nilaza mazava fa tsy mitombina velively ny filazana fa tafiditra ao anatin’ny toeram-pitrandrahana ny alan’ny Mikea. Tsy voakitika ary tsy nahazoana alalana mihitsy izany hatreto, hoy izy. Ho mariky ny fangaraharana dia napetraka eo anivon’ny kaominina sy ny fokontany voakasiky ny fitrandrahana avokoa ireo bokin’andraikitra mifehy ny orinasa sy ny andraikitra takiana amin’ny lafiny tontolo iainana, hoy ihany ny tale jeneraly. Tsiahivina fa tamin’ny 21 martsa 2012 no nahazo ny fahazoan-dalana hitrandraka fasimainty ao Ranobe ny orinasa Base Toliara saingy hatreto dia mbola anatin’ny fanadihadiana ny toetany sy ny toerana hametrahana ny ozinina izy ireo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT