Natolotra an’i Madagasikara ny 31 mey 2019 tao amin’ny Muséum National d'Histoire Naturelle,
Paris, ny vokatry ny asa fikarohana sy firaketana rehetra nataon’ny Bureau de Recherche Géologique et Minière (BRGM) nandritra ny 50 taona mahery izay mirakitra ireo torohay sy firaketana rehetra momba ny toe-tany sy ny harena ankibon’ny tany Malagasy. Nandray izany ny filoha am-perinasa Andry Rajoelina. Nandritra ity lanonana ity no nanaovan’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany ny loharanon-karena stratejika, Atoa Fidiniavo Ravokatra sy ny Filoha tale jeneralin’ny BRGM, Rtoa Michèle Rousseau ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana lasitra ho fanomezana ireo voka-pikarohana ireo. Voaporofo hatrany fa ny vahiny no mahalala kokoa ny harena eto. Efa notaterina teto, ohatra, ny fisiana “galerie” na tonelina ambanin’ny tany anaty lavabato efa namboarin'ny Frantsay tao Betsiaka Ambilobe tany amin’ny taona 1918, nenti-nitrandraka volamena, ary efa nahazoana 1 taonina, raha ny resaka mandeha. Nisy tarehimarika hafa nilaza fa volamena milanja 7285 kilao no efa azo tao amina kaominina 3 mifanakaiky tamin’i Betsiaka ny 1906-1934 ka naondrana tany ivelany. Taty amin’ny 2013, dia nisy fikarohana ka nivoahan’ny resaka fa 500 taonina no miandry trandrahana fotsiny ao Betsiaka-Ambilobe. Inona ary no tambin’ny fanomezan’ny Frantsay ny dosie ? Mety hirarakopana ny fitrandrahana harena eto ato ho ato.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.