Dossier

Hain-tany any Atsimo Hanao hetsika vonjy aina ny fanjakana


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly fa hanatanteraka hetsika vonjy aina hamatsiana rano sy sakafo ireo mponina lasibatry ny haintany any atsimo ny fitondram-panjakana .

 

 

Distrika 6 no ahiana ho voakasiky ny haintany, tsy fahampian-drano sy tsy fahampian-tsakafo : Amboasary Atsimo, Ambovombe, Bekily, Betioky, Ampanihy,

Tsihombe. Ka hetsina vonjy aina atao maika ny fandefasana camions-citernes hamatsy

rano maimaim-poana ny mponina any amin’ireo toerana voakasik’izany, hizara sakafo

hoan’ireo zaza amam-behivavy izay zazakely 35.000 eo ho eo no mila fanavotana maika

amin'ny alalan'ny fanohanana ara-tsakafo, izay iaraha-misalahy amin'ireo mpamatsy vola sy

ny tetikasa nutriset ary koa ny BNGRC izay handefa sakafo sy fanafody ary kojakoja ilaina

ho an'ny mponina amin'ireo distrika. Hisy “sites pilotes” hajoro isak'ireo distrika tena voakasika ireo ahafahana mametraka vahaolana maharitra, mba tena hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo izay iainan'iny faritra Atsimon'ny Nosy iny efa an-taonany maro.Ka anisan’ireo asa atao amin’izany ny fanaovana “forage” hahazoana rano fisotro madio, fananganana orinasa ampiasana ny techniques d'ultrafiltration sy désalinisation ny ranomasina ho lasa rano fisotro. Hovatsiana fitaovana fanadiovana rano koa ato anatin'ny 3 volana ireo distrika ireo izay afaka hanadio rano hamatsiana olona hatramin'ny 35.000 isaky ny site pilote. Hisy ny fametrahana fantsona lehibe ireo vaovao hitsinjara rano fisotro madio koa araka ny toromarika avy amin'ny Filoha.Eo koa ny fampiasana teknika ara-pambolena ahafahana manao vary an-tanety, mamboly katsaka sy vomanga, ahafahana mampiakatra ny vokatra ilain'ny mponina any an-toerana.Ary farany dia ny fametrahana toeram-pitsaboana ampy fitaovana sy manana mpitsabo sy mpiasan'ny fahasalamana ampy isa.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT