Anisan’ny torolalana mila atao napetraky ny tetikasan’ny firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD) ao anatin’ny tatitra nasionalin’ny fampandrosoana ny maha olona (RNDH 2018) ny fanitsiana ny haba alaina amin'ny tataom-bidy (TVA).
Ambony ny TVA an’i Madagasikara mihoatra amin’ny firenena afrikanina maro. Raha mandray ohatra: ny Lesotho dia mampihatra TVA 14 % Ghana 12%. Ny firenena Malagasy anefa dia mampandoa TVA 20% ho an’ny rehetra ary tafiditra ao daholo na mahantra na manankarena. Rehefa izany dia manome 35% amin’ny fampidiran-ketra misy ny TVA eto Madagasikara. Azo lazaina ho tsara ny tarehimarika saingy tsy mitsinjo ireo marefo ara-pivelomana, hoy ny mpahay toekarena ao amin’ny PNUD. Tokony hisy TVA karazany 2 eto Madagasikara mba ho fitsinjovana ireo olona marefo marobe eto amin’ny firenena. Tsy azo ampitoviana tokoa mantsy ny vahoaka sahirana mividy ny entana ilaina isan’andro (PPN) sy ireo mpanambola manontany ny ory. Ireo anefa dia samy iharan’ny TVA 20% avokoa ka tokony hojerena haingana.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.