Hanjavona ny 90% mahery amin’ny toeram-ponenan’ireo gidro eto amintsika afaka 50 taona. Io no voalazan’ny voka-panadihadiana navoakan’ny gazety-boky “Nature climate change”,
tamin’ny alatsinainy lasa teo. Karazana varika anankiroa no tena voakasik’ity loza mitatao ity, dia ireo antsoina amin’ny voambolana siantifika hoe : varecia variegata sy varecia rubra. Ny fiovaovan’ny toetr’andro no anisan’ny antony mahafoana tsikelikely ny toeram-ponenan’ny gidro, na ny varika, saingy eo dia eo ihany koa ny hetraketraky ny olombelona. Araka ny tombana navoakan’ity fanadihadiana ity dia ny fandripahana ny ala no hahapotika ny 30%-n’ny fonenan’ny varika fa mety hahatratra hatrany amin’ny 75% kosa ny andraikitry ny fiakaran’ny maripana hatramin’ny taona 2070. Tsy ny toeram-ponenan’ireo biby ireo ihany no atahorana ho ripaka fa amin’izao fotoana izao dia efa ahiana ho lany tamingana ny 96% amin’ireo karazana gidro misy eto amintsika. Raha tsiahivina anefa dia eto Madagasikara no ahitana ny 5%-n’ny karazana biby sy zava-maniry maneran-tany. Ny 44%-n’ny ala nandrakotra an’ity nosintsika ity anefa no efa ripaka, nanomboka tamin’ny taona 1950 no mankaty.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.