Dossier

Gidragidran’ny Toliara Sands Andry Rajoelina no fositra


  • Talata 04 Septambra 2018

Ny taona 2012 tamin’ny andron’ny tetezamita no nahazo alalana hitrandraka harena ankibon’ny tany eto amintsika ny orinasa Toliara Sands, mitrandraka fasimainty.

 

 Ny fanjakana tetezamita notarihin-dRajoelina no nanao ny fifanarahana sy nanome fahazoan-dalana, ary nanomboka ny 2012 ny fikarohana samihafa. Ny taona 2015 kosa no nivoaka ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Ry Andry Rajoelina sy ny ekipany izany no nandray ny volabe, toy izay efa natao tamin’ny orinasa Wisco nitrandraka vy tany Soalala raha dinihina ny tantara. 20 taona, ary mety azo hitarina hatrany amin’ny 60 taona ny fifanarahana ka mahatratra 600.000 taonina isan-taona ny tanjona amin’ny fasimainty novinavinaina ho azo, ary 65.000 taonina kosa ny Zircon/rutile. Lesoka voalohany tamin’ity raharaha ity hatrany am-piandohana ny fanjakana tsy voafidim-bahoaka fa nanongam-panjakana no nanao fifanarahana goavana mikitikitika ny harem-pirenena. Tsy manan-jo hanao izany velively ny mpanogam-panjakana, saingy nataony satria volabe io. Iaraha-mahalala anefa ny gidragidra sy fanoheran’ny mponina azy amin’izao fotoana izao, izay niafara tamin’ny fidinana an-dalambe mihitsy, ary olom-boafidy mihitsy no mitarika. Tsy manaiky lembenana satria ankoatra ny adihevitra ara-tsiantifika momba ny akora voalaza fa mety hitera-doza, dia eo ihany koa ny resaka fahapotehana tsy roa aman-tany, raha ny ambaran’ny mponina, toy ny fitrongisana ny alana Baobab,… Efa nandray vola be tamin’io ihany koa ve ny fanjakana HVM ka toa tsy afa-manoatra sy mihainohaino fotsiny ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT