Tafakatra 20 000 ny olona niova fo ka lasa jihadista any Frantsa, araka ny tatitra navoakan`ny sampandraharaha misahana ny fampihorohoroana na FSPRT ny volana aogositra lasa teo, raha am-polony monja izany tamin`ny 2014.
Efa miezaka mametraka paik`ady manokana ny manampahefana Frantsay kanefa toa vao mainka miroborobo izy ireo. Tato ho ato dia eo amin`ny tontolon`ny fanatanjahantena izy ireo no misintona olona hiditra sy hanaraka ilay finoana. Efa hentitra ny fanaraha-maso ataon`ny Frantsay amin`ireo vahiny mandalo sy mipetraka ao aminy ary mahatsapa ny mpitondra fa raha mbola mitohy ny fanomezana vahana azy itony dia mamboly loza sy mamafy tadio an`ny fireneny. Tsikaritra anefa fa rehefa toherina sy resy ny Jihadista` dia mitady tany malemy izy ireo hanaparitahana ny fomba fijeriny. Toa variana amin`ny zavatra hafa ihany ny Malagasy kanefa dia manomboka mahazo vahana eto amintsika ireo silamo be volom-bava ankehitriny. Tsy mahagaga fa gaboraraka ny fidiran`ny vahiny eto amintsika ary marefo ny fanaraha-maso. Raha mbola mitohy ny fanomezana vahana itony silamo itony dia tsy maintsy hiafara tahaka an’i Somalie, Soudan, Syrie, Lybie, Irak… isika. Tsy hisy mpampiasa vola sy mpizahatany ho tonga intsony eto Madagasikara afa tsy ny mpivarotra fitaovam-piadiana sisa toa an`i Siria. Na ny vahiny aza milaza fa henjana ireo arabo Jihad tonga eto Madagasikara ka mila fanapahan-kevitra hentitra sy matotra ny fitondram-panjakana amin`ny fanaraha-maso azy ireny.
.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.