Hisy ny fihaonana an-tampony “Afrika-Frantsa 2020” izay hatao any Bordeaux ny 04 hatramin`ny 06 jona izao. Fihaonam-be faha-28,
izay hampivondrona filoham-pirenena afrikanina 55, mpisehatra afrikanina sy frantsay mitondra tetikasa sy vahaolana hananganana tanàna sy faritany maharitra ary hamaly ny filan`ny fampiroboroboan`ireo an-tanàn-dehibe izay andrasana aty Afrika amin'ny taona maro ho avy. Ny tanàn-dehibe no miantoka ny fanamby goavana manoloana ireo sakantsakana sedrain`ireo firenena aty Afrika sy any frantsa. Amin`ny taona 2050, mety hitombo avo telo heny ny isan`ny mponina an-tanàn-dehibe aty Afrika ka mety hahatratra 1,2 miliara izany. Amin`izao fotoana izao anefa, ny antsasak`ireo fotodrafitrasa ho amin`ny taona 2030 handraisana izany fitombon`ny mponina izany aza dia mbola tsy mijoro sy mitsangana akory. Hatreto, tanàn-dehibe miisa 100 aty Afrika no ahitana mponina iray tapitrisa. 10 amin`ireo no ahitana mponina 5 tapitrisa. Ao Lagos no tena ahitàna mponina betsaka satria mahatratra 23 tapitrisa ny isan`izy ireo ao an-tanàn-dehibe. Tanjona ny fampivoarana ny tanàn-dehibe eto Afrika ka mba ho tafiditra ao anatin' izany ny fiarahamonina, ny famokarana, ny resaka tontolo iainana ary mba hahafahana mampiroborobo ireo mpisehatra amin'ny sehatra rehetra: toekarena, indostria, famatsiam-bola, kolontsaina ary fialamboly, fanabeazana, fahasalamana, fiarovana, fampivoaran`ny tanàna. Ny fanolorana ny lohahevitry ny "tanàna maharitra" amin`ity fihaonambe ity dia manome tombony manokana amin'ny fizarana ireo fahombiazana azo ary hananganana tanàna frantsay sy afrikanina, amin'ny foto-kevitra "gagnant-gagnant". Ny fanamby ho an'ny fihaonana an-tampon'ny Afrika-Frantsa 2020, noho izany, dia ny famolavolana fiaraha-miasa ara-politika vaovao sy ny fiaraha-miasa ara-toekarena vaovao, anisan'izany ny fizarana sy fifanakalozana ny fahalalana, fa koa fiaraha-miasa amin'ny sehatra toa ny fahasalamana, fampianarana. ny fandaminana ny tanàna ary ny kolontsaina. Ireo no nivoitra nandritra ny valandresaka niarahan`ny masoivoho frantsay monina sy miasa eto amintsika, Christophe Bouchard, omaly tetsy Ambatomena. Nohamafisiny moa fa hita taratra hatramin`izay ny finiavan`i Madagasikara sy ny fahavononana samihafa na ara-diplaomatika izany na ara-toekarena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.