Dossier

``Forum des métiers`` Nahazo vahana ireo mpitady asa


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Ho fampiroboroboana sy ho fanamorana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa dia misy hetsika tanterahina isan-taona izay nomena anarana hoe « Forum des metiers des entreprises ».

 

 Tetsy amin’ny Campus Sesame Ambatoroka no izany hetsika izany ny fikambanana PROMES no nitantsoroka ny fanatanterahina azy. Notontosaina ny sabotsy 14 aprily lasa teo izany hetsika izany. Maro ireo tolotr’asa natolotra ho an’ireo rehetra manana ny fahaizamanao mifanaraka amin’izany raha ny nambaran’Atoa Raveloson Romuald, izay mpikarakara ny hetsika. Ny asa mahakasika ny « informatique » no tena maro amin’ny tolotr’asa tamin’ity andiany ity, ka nitombo tsy araka ny niheritreretana azy ihany koa anefa ny taham-pandraisana anjara satria  misy ireo karazana asa rehetra hita ato, ka afaka mamaly ny tolotra avokoa ny olona rehetra liana amin’ilay asa. Maro amin’ireo tanora vao misondrotra no mbola tsy mahalala tsara akory ny tena asa ho ataony na dia efa manana ny maripahaizana ahafahana miditra eo amin’ny sehatry ny asa aza. Hetsika miendrika asa soa eo amin’ny fiarahamonina izy ity, ny tanjona voalohany dia ny mba hampihenana ny tahan’ny tsy fananan’asa ary ampiakarana ny harin-karena Malagasy raha ny voalaza ihany. Tafiditra amin`ny tetik`asa PIPOM iarahan`ny AUF, fikambanan`ny DRH ary ny Campus France ny hetsika torolalana sy famolavolana ho an`ny asa araky ny fanazavana.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT