Dossier

Fondation MohamedVI des Oulema Africains Tafatsangana eto Madagasikara ny rantsany


  • Alatsinainy 28 Janoary 2019

Hanampy ireo manampahaizana tafatsangana amim-pomba ofisialy eto amintsika ny “Association Fondation Mohamed VI des Oulema Africains” izay manana ny foibeny ao Antsirabe, tantanan’Atoa Farok Nomenjanahary Justin.

 

 

 

 Ny faran’ny herinandro teo no nampahafantarana tamim-pomba ofisialy ny fijoroan’ny fikambanana, manana tanjona hanampy ireo manampahaizana eto amintsika, indrindra fa ireo nahavita fianarana nefa tsy an’asa. Kaonferansa nasionaly mitondra ny lohahevitra hoe : ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny fivavahana no nanokafana izany teny amin’ny Ibis Ankorondrano ny sabotsy teo, nifarana omaly alahady. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa hataon’ny fondation aty Afrika ny hetsika, tapaka nandritra ilay fihaonana an-tampony notontosaina tany FES Maroc ny 03 sy ny 04 novambra 2018 lasa teo. Tanjon’ny fondation ny hamolavola fiarahamonina mirindra lavitry ny herisetra, manaja ny kolontsaina tsy mitovy. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Maroc izao fananganana ny rantsan’ny fondation Mohamed VI eto amintsika izao. Anisan’izany ny fifanakalozana ny kolontsaina sy ny maro samihafa. Nosafidiana manokana Antsirabe hametrahana ny foiben’izy ireo noho ity tanàna iray ity nandraisana ny Mpanjaka Mohamed IV tamin’ny taona 1954 teto amintsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT