Dossier

Fomba fiady amin’ny fifidianana Manomboka ny famoahana dosie maloto


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Mivoaka ary mety hirarakopana ny famoahana na famoronana karazana dosie maloto samihafa handotoana sy hamotehana ny mpifanandrina politika amin’ny fifidianana.

 Tsaroana tsara, ohatra, ny zava-misy tamin’ny taona 2013 nilazan-dRoland Ratsiraka fa manana dosie maloton-dRajaonarimampianina saingy tsy nivoaka mandrak’androany satria nosandaina toerana minisitra angamba. Hikoha-maina aza hatao mainka fa misy irika kely hahafaha-mamadi-dresaka, ka dia nolotoina ihany koa i Lalao Ravalomanana nambara fa nivarotra ny CEG Analamahitsy satria kandida ho filoham-pirenena i Marc Ravalomanana. Hatramin’ny ambara fa olom-baovao amin’ny politika mety ho tratra atsy ho atsy. Anisan’ny efa niharan’izany i Orlando Robimanana izay vao re sisosio fa mety ho kandida filoha, dia nivoaka ny raharaha famoaham-bola mitentina 400 828 000 Ar fony izy tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana, izay iray amin’ireo afera nahasaringotra an’i Claudine Razaimamonjy. Toa efa fomba fiady hatrany ampita sy mety hanatsimbadika tantara io resaka dosie maloto mivoaka io, toy ny nahazo an’i DSK na Dominique Strauss Khan, tale jeneralin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na ny FMI (2007-2011). Tsara toerana ho filoham-pirenena Frantsay tamin’ny fifidianana ny 2012, saingy simba nialoha tamin’ny 2011 rehefa nivoaka ny resaka fanararaotana ara-nofo voalaza fa natao tamina vehivavy Nizerianina Nafissatou Diallo tany New York. ka dia rava ny tsena ho azy satria tsy maintsy niala tsy ho filohan’ny FMI aza.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT