Dossier

Foloalindahy Malagasy Tokony hohamafisina ny sampana fanangonam-baovao


  • Alakamisy 28 Jona 2018

Mampitondra faisana ny vahoaka Malagasy ny asan-dahalo ary tsy misy faritra na iray aza tsy misy azy.

Manondro mena i Madagasikara eo amin`ny tsy fandriampahalemana. Tsy misy ady lehibe hatrehina eto amintsika saingy ny asan-jiolahy no tena mampitondra faisana ny vahoaka ary tena tsy mety voafehy mihitsy izany. Misy ihany koa ireo jiolahy ambony latabatra izay minia manakorontana, indrindra any amin`ireo tontolo ambanivohitra noho ny tombontsoa ara-jeopolitika sy ara jeo-ekonomika. Velom-panatenana kosa ny rehetra nahita fa mivonona amin`izany ny Foloalindahy ary hita taratra io nandritra ny Matso lehibe tetsy amin`ny Kianjaben`i Mahamasina ny 26 jona lasa teo. 

 

Vy very ny aina

Voasokajy ho mena i Madagasikara eo amin`ny tsy fandriampahalemana. Tsy misy adim-poko na koa ady an-trano saingy  ny asan-jiolahy no tena mampitondra faisana ny vahoaka Malagasy ary tena tsy voafehy mihitsy. Ny zava-misy dia tsara fiomanana sy tsara rafitra ny fomba fiadin’ny dahalo ka izay no andresen’izy ireo ny mpitandro ny filaminana. Efa tena mihatra  aman’aina ny hetraketraky ny jiolahy sy ny dahalo eto amintsika ka ilana paik`ady maharitra hamongorana azy tanteraka satria tsy hisy asa fampadrosoana eto raha izao no mitohy.  Toy ny tsy misy hery afaka hifampitana amin`ireo dahalo ny mpitandro ny filaminana eto amintsika. Efa maro ny tranga nandrenesana fa naripaky ny jiolahy ny andian-tafika, indrindra any atsimon`ny Nosy. Maro ireo miaramila no lavo am-perinasa ary namoy ny ainy ho an`ny tanindrazana.  Mitaraina ho tsy ampy olona sy tsy ampy fitaovana ny mpitandro ny filaminana nefa tsy dia ampy tsara ny fanaparitahana azy ireny eny anivon’ny fiarahamonina. Tsy mitsitsy mihitsy ireo malaso ka nentina hiadiana amin`ny asa ratsy dia natsangana ny vondrona vaovao avy amin`ny tafika Malagasy : “Hery Manokana”. Natao hanampy ireo tafika miandraikitra ny fanafihana lehibe ity vondrona ity ary alefa any amin`ny toerana sarotra ka nampahafantarina tamin`ny besinimaro nandritra ny matso tetsy amin`ny Kianjan`i Mahamasina ny 26 jona lasa teo. Miandrandra an`ny foloalindahy ny firenena manontolo satria nankinina tamin’izy ireo ny fiarovana ny olona sy ny fananany eto Madagasikara, izay tena adidy masina tokoa.

 


 

Miaro ny fiandrianam-pirenena

 

Tsy natao hiaro ny vahoaka ihany ny foloalindahy fa natao hiaro ireo andrim-panjakana, indrindra rehefa tandindonin-doza izy ireo ary raisiny ho andraikitra daholo izany. Amin’ny maha aro iraka farany iankinana ny Foloalindahy, dia efa voavolavola hanana ny herin-tsaina sy ny hambom-po ary ny fahasahiana entina miatrika ireo asa sy andraikitra ankinina aminy toy ny fiarovana ara-tafika raha toa ka misy ambana mety hanohintohina ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Tsy ambakan’izany ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana mivantana toy ny fanamboaran-dalana, ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana. Ny filoham-pirenena no faratampon’ny Foloalindahy Malagasy ary ao ambany fiadidiany ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena misahana ny zandarimariam-pirenena, ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy ary ny komandin’ny zandarimariam-pirenena.


 

Tombontsoa manokana

Misedra fotoan-tsarotra tokoa ny firenena ankehitriny. Raha jerena sy dinihana dia olana ara-jeopolitika no misy eto Madagasikara ary tsy tonga tonga ho azy ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Miezaka mametraka diplaomasia foana ny iraisam-pirenena satria mbola iadiavan`ny vahiny mafy i Madagasikara ary ny firenena frantsay no voalohan-daharana. Ho an`ireo firenena lehibe mantsy, indrindra ireo mpitrandraka, ny fahatajahana ara-diplomatika no andresen`ny an-daniny sy ny an-kilany. Tsy mahagaga raha tsy miverina amin`i Madagasikara ireo nosy manodidina izay tena andrandraintsika satria misy harena iadian`ny vahiny any ivelany ny Nosy toy ny kanalin’i Mozambika. Misy ihany koa ny olana ara-jeopolitika anatiny. Noho ny tsy fandriampahalemana, indrindra any amin`ny tontolo  ambanivohitra dia voatery misintaka ireo mponina ary mifindra monina mihitsy. Noho ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa misy harena ankibon’ny tany  eo amin`ny manodidina ny tanàna. Mila hamafisina sy miasa be ny sampana fanangonam-baovao eo anivon`ny Foloalindahy. Ireo mpitandro ny filaminana miandraikitra ny sampana fanangonam-baovao dia niofana manokana tany Etazonia. Ireo lehiben`ny fari-piadidian`ny mpitandro ny filaminana indray dia any Frantsa no miofana satria mianatra manokana ny “Ecole de la Guerre”. Ny polisim-pirenena indray dia fiofanana egyptianina no azon`izy ireo.  Tsy azo lavina anefa fa ilaina ny fiaraha-miasa miaraka amin`ny vahiny saingy na mitondra soa na mifanohitra an`izany ny zavatra aterany. Mila mavitrika io sampana fanangonam-baovao io satria efa manomboka hita tatratra amin`izay ireo dahalo eo ambony latabatra.  

Legende:

 

Fanofanana manamboninahitra

12 janoary 1967- 12 janoary 2018, feno 51 taona no nivondrona ireo mpianatra ho manamboninahitra avy amin’ny andiany voalohany na ny andiany “Aina” ka nanehoan’izy ireo ny hetahetany momba ny fomba entina hanatsarana ny fanofanana manamboninahitra tato amin’ity sekoly ity. Sata miisa telo  no mitantana ny fanabeazana ampitaina ato amin’ny akademia miaramila na ACMIL, dia ny Rindran’ny Fibaikoana ara-miaramila ato amin’ny Sekoly amin’ny ankapobeny, ny drafi-pampianarana ary ny soatoavin’ny sekoly; toko telo mahamasa-nahandro, mifameno, izay tsy nitsahatra ny nanamafy orina ny lazan’ity sekoly ity teto an-toerana sy eo amin’ny firenena Afrikanina maro. Nahavita be ho an’ny firenena Malagasy sy ho an’ireo firenena Afrikanina namana ny Akademia Miaramila ao Antsirabe tao anatin’izay 51 taona izay. Raha tsy hilaza afa-tsy ny fanabeazana andiany mivantana miisa 40 hatreto, andiany fiandry 9, andiany iraisam-piadiana 20 ary andiany manokana 23. Teo ihany koa ny fandraisana mpiofana avy amin’ny seha-piasana maro hafa toy ny tao amin’ny fitantanan-draharaha ny fonja, ny fitantanam-panjakana …  An’arivony maro no nanovo fahalalana tato : 3562 no manamboninahitra navoakan’ny Akademia Miaramila Antsirabe ka 54 vehivavy ary 140 afrikanina. Inoana marimarina fa tsy lefin’ny taona ary mbola raikitra ao am-pon’ny tsirairay ilay tarigetran’ny Akademia Miaramila hoe : “Ho an’ny Tanindrazana”.


 

Mamerina fahatokisana amin`ny vahoaka

Raha hiverenana ny tantara, ny 14 oktobra 1958 no nahaterahan’ny Foloalindahy Malagasy ary tafiditra amin`ny fanamarihana ny fetin`ny Fahaleovantena, 58 taona lasa izay. Maro no dingana tokony hataon`ny tafika amin`izao fotoana mivaivay eto amin`ny firenena. Mila mametraka ny fiandanian`ny tafika amin`izao krizy politika izao. Manaraka izany, mila mamerina ny fahatokisana amin`ny vahoaka ihany koa ny Foloalindahy. Rehefa atokisan’ny vahoaka fa miara-miasa aminy, tsy mandray anjara amin’ny fanafihana fa mampanjary ny fandriam-pahalemana. Mila miara-mientana ny rehetra indrindra amin`ny fanomezana Hasina ny soatoavina repoblikana sy ny kolontsaina Malagasy izay mampiray antsika ary mampiavaka antsika amin’ny firenena hafa. Maro ny zava-niseho tao anatin’izay 58 taona izay tao ny soa, nisy ihany ny nanahirana tamin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Tao ihany koa ireo fisedrana sy ny fotoana namaivay nolalovan’ny firenena noho ny fijery tsy mitovy ary tsy afa-nisaraka tamin’izany ny Foloalindahy Malagasy.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT