Andron’ny vehivavy anio 8 martsa ka dia arahabaina manokana ny vehivavy Malagasy rehetra manerana ny Nosy. Manana ny lanjany ny vehivavy ho an’ny tokantrano,
ankohonana, fiarahamonina, eny ny firenena mihitsy. Anisan’ny fanamby apetraka amin’izao eny anivon’ny fiarahamonina, orinasa, fitantanana ny raharaham-panjakana, politika, ny fifandanjana eo amin’ny isan’ny lahy sy ny vavy, saingy tsy tafapetraka aloha izany eto amintsika. Ilay filoham-pirenena nilaza hanao izany tao anaty governemanta aza mantsy dia teny sendra nivoaka ny vava, toy ny fampanantenana poakaty fanao angamba ny nambarany. Ankatoky ny fifidianana solombavambahoaka isika izao, ka asa izay ho taham-pandraisan’anjaran’ny vehivavy, izay manomboka maneho fa tsy mena-mitaha amin’ny lehilahy amin’io sehatra io. Tsetsatsetsa tsy aritra iny, fa somary marisarisa ny fandrotsahana antontan-taratasy ho an’ireo hifaninana haka ny toerana etsy Tsimbazaza. Miketrika mafy ny antoko lehibe, ary toa ady saritaka mihitsy no re any anaty antokon’ny fitondrana any. Re siosio fa ilay filoha mihitsy no miketrika sy mandahatra mpilalao mba hanamafisana ny seza sy ny fiandrianana eo amin’ny fanjakana io. Mivoaka ny feo samihafa fa mifanjevo ny fandatsahana azy amin’ny anaran’ny antoko na ny vovonana tarihin’ilay filoha no valimbabena tamin’ny fanohanana. Misy ny mamoaka vava be, fa tena nanao ny tsy fanao sy nangala-bato mihitsy nampandaniana an-dRajoelina kanefa olon-kafa tsy nitatatra sy tsy nively farihy no lasa nahazo avara-patana, ka hijoro ho fahavalon-dRajoelina raha ny nambara. Mazava fa mbola hipongatra tsikelikely hatrany ny afera maloto samihafa tamin’ny fifidianana na koa tamin’ny fitondrana ny firenena efa tany aloha raha tsy voasasa ny lamba maloto ao. Efa mivoaka rahateo ny resaka, fa ny sasany handeha amin’ny anarany manokana amin’ny fifidianana. Ny sasany efa namoaka fa ampian-tafika tsy ampian-tafika, ary vonona hifampitady amin’ny antoko mitovy aminy amin’ny fanohanana ilay filoha. Manomboka ny savoritaka, hany ka ny lohany mihitsy izany no miditra an-tsehatra. Tsy atao mahagaga raha adinodino ny famahana ny olana ara-tsosialy samihafa satria ny kapoaka amin’ny alalan’ny fanamafisan-tseza aloha, vao vahoaka azo tambazan-kanina tsy mahavita taona amin’ny alalan’ny vary mora ny sasany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.