Misy akony ratsy amin’ny sehatry ny fizahan-tany any Azia atsimo atsinanana nyf isianílay valan’aretina Coronavirus.
Na nanafoana ny fandehanany hitsidika ireo mpizahan-tany na nampihemotra ny diany ho amin’ny fotoana manaraka izay tsy mbola voafaritra mazava hoe rahoviana.Ho an’i Thailande izao ohatra izay nampiantrano Sinoa mpizahantany efa ho 11 tapitrisa tamin’ny herintaona, dia efa niiba 86% sahady io fahatongavan’ny Sinoa any aminy io, tombanana ho 7 miliara dolara ny fatiantoka noho izany.Ny an’i Vietnam aza dia nidina 90% eny mety ho tonga any amin’ny 100% mihitsy ny fahatongavan’ireo Sinoa mpizahantany izay tena mampiditra volabe tokoa ho an’ity firenena ity, manodidina ny 5 hatramin’ny 7 miliara euros eo ny fatiantoka ho an’i Vietnam noho izao fitotongan’ny sehatra fizahantany izao raha ny fandinihan’iroe mpahay toekarena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.