Efa maro ireo sekoly ankehitriny no mampiasa ny teknôlôjia maoderina, hanamorana ny fampitana ny fampianarana. Betsaka, ohatra, ireo sekoly mampiasa ny solosaina sy ny aterineto.
Nisy sekoly notoloran’ny mpitondra fanjakana tablety… Tanjon’izany rehetra izany ny hanatsarana ny kalitaom-pampianarana, mba tsy hionona amin’ny tsaoka sy ny solaitrabe toy ny fahiny intsony. Araka izany, natao hanamora sy hanamaivana ny asa be, indrindra ilaina amin’ny fianarana ny teknolojia. Tsikaritra anefa fa mihen-danja ny fari-pahaizan’ireo mpianatra na eo aza ny fivoarana.
Tena midina ny taham-pahombiazan’ny ankizy mpianatra
Mpampianatra iray amin’ny sekoly tsy miankina no milaza fa nanodidina ny 70% ny taham-pahombiazana teo aloha. Nidina hatrany amin’ny 40% izy amin’ izao. Maro no antony mahatonga ny fihenana. Eo ny tsy fahazotoana mianatra. Atao inona tokoa ny fianarana, raha bizina no tena foto-pivelomana mahomby amin’izao ? Atao inona ny fianarana raha betsaka ny fotoana lany sy very fotsiny noho ny grevy ?
Fanarahana Facebook
“Anisan’ny olana fototra ny tsy fahafehezantenan’ireo mpianatra manoloana ny teknolojian’ny vahiny, indrindra ny aterineto (internet)”, hoy ny ankamaroan’ny mpanabe raha nanontaniana ny hevitr’izy ireo. Ny “Facebook”, iray amin’ireo tambajotra sosialy no tena mahasarika ny tanora maro. Mbola mpianatra ny ankabeazan’ny mpikirakira azy. Ny 50%-n’ny ankizy eny anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa no efa manana finday ahafahana manao Facebook. Efa mahatratra 85% kosa ny ambaratonga fahatelo sy ny kilasy famaranana, ho an’ny ankizy mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana sy tsy miankina tsotra, tsy ara-pinoana. Misy lalàna mandrara ny fitondrana fitaovana sarobidy any am-pianarana eny amin’ny sekoly maro, saingy samy hafa ny fampiharana azy. Vokany, tsy mihaino fa variana manao “Facebook” ny ankizy na ao am-pianarana aza. Misy no matory fotsiny fa any an-trano dia ilaozana miari-tory manao azy io. Tsy ny “Facebook” anefa no ratsy fa ny ankizy no tsy mahay mandamina ny fotoanany. “Mila ampianarina mandamina fotoana ny ankizy, ka ampidirna ao anatin’ny fandaharam-pianarana sy hatao taranja iray mihitsy ny “méthodologie”, hoy Rakotomalala Jean-Baptiste, mpanabe.
Hampianarina mandamina fotoana
Ny ray aman-dreny dia mila miara-misalahy ao anatin’ny fanabeazana ny zanany fa tsy mandeha ila ny fampianarana. Anisan’ny zava-dehibe ny fanarahan’ny ray aman-dreny maso ny zanany. Ohatra tamin’ilay fandaminana fotoana teo : asaina mametraka ny fandaharam-potoanany (emploi du temps) any an-trano ilay ankizy (eto mianatra, eto manao fanatanjahantena, eto manao facebook, eto miala sasatra…) Ampahafantarina ny mpampianatra izany ary anjara asan’ny ray aman-dreny no manara-maso ny fampiharana azy ireny. Ny manome sakafo sy mampitafy ny ankizy ihany anefa no heverin’ny ray aman-dreny sasany ho fitaizana, ka rehefa vita izay dia tsy misy fitaizana intsony. Taloha, ny fahaizana amam-pahalalan’ny ankizy dia azony any an-tsekoly daholo. Amin’izao, raha misy tiany ho fantatra dia eo ny aterineto hanome valiny azy. Lasa mampihen-danja ny sekoly eo anatrehan’ny ankizy izany ka mahatonga ny ankizy tsy hivaky loha firy amin’ny fianarana. Mila atao lohalaharana amin’izy ireo ny fianarana, ka izany dia miainga avy amin’ny ray aman-dreny.
Tsy mankato ohatra intsony ny ankizy
Araka ny teorian’i Rudolf Dreikurs, mpampianatra sady manampahaizana momba ny saina, teratany aotrisianina, antony mahatonga ny ankizy tsy ho mpankatoa ohatra ny taloha intsony ny maodely hitany amin’izao. “Taloha, ohatra, ny vehivavy dia mankato ny vadiny, tsy manisy adihevitra satria ny lahy no lohan’ny vavy. Ankehitriny, na mbola mipetraka foana aza ny maha lohan’ny fianakaviana ny lehilahy dia efa maneho hevitra sy miady hevitra kokoa ny vehivavy. Tsy ao an-tokatrano ihany fa efa mihamaro ihany koa ny mpiasa mahasahy miteny ny mpampiasa azy, noho ny tsy rariny, miditra sendika, miditra fikambanana isan-karazany miaro ny zon’ny mpiasa. Manerana ny firenena indray dia mijoro ny fiarahamonim-pirenena sy fikambanana misehatra amin’ny lafin-javatra maro, mahasahy mamotsipotsitra ny zavatra tsy mandeha eto amin’ny tany sy ny fanjakana… Ireny no hitan’ny ankizy dia alainy tahaka. Vao mainka tena mahita be ny zava-misy ny ankizy noho ny firoborobon’ny teknolojia, facebook, aterneto amin’ ny ankapobeny, fahitalavitra. Tsy voatery ho ratsy akory raha toa ka tsy manaraka an’ilay maodelim-pankatoavana taloha ny ankizy. Manana zo hiteny koa mantsy izy ireny, manana zo haneho hevitra sy ho henoina.”
Hitondra voka-tsoa raha trandrahana
Fitaovana tsy maintsy fehezina ny aterineto. Ilain’ny mpianatra amin’ny fikarohana sy fandalinana lafin-kevitra izy io. Vitsy sisa ankehitriny ny oniversite eto Madagasikara no tsy tafiditra ao anaty rafi-pampianarana LMD. Mitaky fahaiza-manao sy fikarohana io rafitra vaovao napetraka io, amin’ny alalan’ny fahafantarana misimisy kokoa ny fanatontoloana ara-teknolojika. Asongadina manokana ny teknolojian’ny fampitam-pahalalana sy ny serasera. Ireo voka-dratsy, noho ny fomba fijery diso no hitan’ny besinimaro ho olana amin’ny fanalalahana azy ity. Na izany aza, tokony hisy voka-tsoa hivoaka amin’ny fahaiza-mitrandraka ny tambajotra sosialy sy ireo teknolojia manampy izany. “Omena fahalalahana ny mpianatra hampiasa azy ireny, saingy misy valiny andrasana amin’izy ireo”, hoy i Carella Ramboatiana, mpanabe. Heno matetika ny hoe : « manankarena i Madagasikara ». Tsy ny harena ankibon’ny tany ihany anefa no azo trandrahana fa harena mitoetra sy maharitra mandrakizay ihany koa ny fahaizana manovo sy mampitombo fahalalana amin’ny teknolojian’ny vahiny. Ka aleo manondrotra avo ny an’ny tena amin’ny alalan’ny fahafehezana ny an’ny hafa.
Hoavin’ ny fampianarana
Tena mila jerena ifotony ny fampianarana eto Madagasikara fa tsy afaka hamaly ny hetahetam-pandrosoana raha mbola izao no mitohy. Ny zava-misy dia miharatsy hatrany ny fomba fitantanana sy fitondrana azy. Tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny filoha Rajoelina ny fanabeazana. Ny fotodrafitrasa sy “subvention” anefa no tena hita ao anatin’ny IEM (Initiative Emergence Madagascar). Tsy lavina fa mila fotodrafitrasa maro, indrindra ny fampianarana eto amintsika fa ny programam-pampianarana dia tokony ho hita soritra mazava ao anatin’izany. Hatramin’izao, tsy misy nanome baiko mazava momba ny lalana hizorana mahakasika ny politikam-pampianarana eto Madagasikara. Tokony ho efa hizotra amin’ny fanatanterahana ny PSE (Plan sectoriel de l’ éducation), raha tiana ho tratra ny fanovana tiana hatao amin’ny taona 2022. “Ny tena zava-dehibe, dia mila mamaritra ny fanjakana ny amin’ny olom-pirenena ilaina ahafahana manondrotra ny toekarena. Izany no ahafahana mamaritra ny fandaharam-pianarana mety sy mifandraika amin’ny Malagasy. Tokony hifanaraka tanteraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny rafi-pampianarana sy ny fandaharam-pianarana”, hoy hatrany Rakotomalala Jean Baptiste, mpanabe. Mila fanavaozana ny tontolon'ny fampianarana eto Madagasikara. Mila fanofanana mifanaraka amin'izany ny mpampianatra. Marihina fa i Madagasikara dia nanana ny toerany teto Afrika nandritra ny taona 1980, noho ny tantara nitoetra momba ny fampianarana, saingy very izay lanja izay ankehitriny.
Marigny ANDRIANTSOAVA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.