Raha mbola olana goavana eto amintsika ny fiparitahan’ny fivalanan-drano eny rehetra eny amin’izao dia nahita vahaolana mifandraika amin’izany ireo mpianatry ny sekoly ambony ISPM eny Antsobolo, ao amin’ny taona faharoa.
Manatanteraka fampirantiana ireo voka-pikarohany etsy amin’ny Carlton Anosy izy ireo nanomboka omaly, ahitana tranoheva manodidina ny 200 isa. Ho an’ny fivalanan-drano manokana dia efa azo havadika ho herinaratra tsara ilay hydrogene ao anatin’izy ireny, azo havadika ho zezika entina hampiroboroboana ny fambolena ihany koa ilay azote sy phosphore ambiny ao anatiny. Ho an’ilay famokarana herinaratra manokana dia azo hatao avy hatrany ny mametraka fitaovana amina tokantrano iray, indrindra fa ho an’ireo manana trano fivoahana ao an-tokantrano na any ivelany, hoy Rakotomanana Tokiniaina ao amin’ny taona faharoa saingy ilay fitaovana hampiasaina no somary lafolafo. Mahazo herinaratra tsy vidim-bola avy hatrany ilay tokantrano aorian’izay ka sady voaaro amin’ny fiparitahan’ny loto ny tontolo iainana no mahazo tombontsoa ny mpiara-belona. Nomarihiny manokana fa mety avokoa na fivalanan-dranon’olombelona na biby no hampiasaina ary tsy atahorana hanaparitaka aretina na dia manavinavy aza ilay tompony. “ Urine-tricité” moa no anaran’ity tetikasa iray ity, raha ny lalam-piofanana Industrie chimique kosa no lalam-piofanana narahin’ireo mpianatra. Tao anatin’ny 12 volana moa no nanaovan’ireto mpianatra ireto ny fikarohana ka anisan’ny tanjony ny hanangana orinasa kely mpanodina fivalanan-drano mihitsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.