Dossier

Fitsirihana ny orinasa QMM Manazava ny antony ny fanjakana


  • Zoma 22 Novambra 2019

Nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny farany teo no nangatahan’ny fanjakana Malagasy hanaovana tsirika manokana ny kaonty sy ny fampiasam-bola ary ny fitantanana eo anivon’ny orinasa mitrandraka fasimainty Quit Madagascar Minerals (QMM).

 

 

 Manan-jo tanteraka hanatontosa izany ny fanjakana Malagasy, izay manana petrabola 20% ao anatin’ity orinasa ity, araka ny fanambarana nataon’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy loharanon-karena sratejika, Fidiniavo Ravokatra tetsy Ampandrianomby omaly. Nanamafy ny tenany fa tsy maintsy hatao izany mba hahafantarana ny vokatry ny fitrandrahana sy ny tombontsoa nentin’ny orinasa teto amin’ny firenena nandritra ny 21 taona niasany teto. Ankoatr’izay dia nanao tatitra sy nampahafantatra ny fizotran’ny fiaraha-miasa tamin’ity orinasan’i Rio Tinto ity ihany koa ny minisitry ka nanambara fa nisy hatrany ny fangatahana fampiakarana renivola (récapitalisation) natao tamin’ny fanjakana Malagasy. Ny taona 2012 sy 2015 no nisian’izany kanefa tsy nanam-bola ny fanjakana ary lasa misoratra ho trosan’i Madagasikara izany. Nahatratra 77 tapitrisa dolara ny trosan’io orinasa io izay takiany amin’ny firenena Malagasy.  Tsy vitan’izay fa tamin’ny taona 2016 dia mbola nilaza indray ny eo anivon’ny Rio Tinto fa mila manao io “recapitalisation” io indray ny fanjakana amin’ity faran’ny taona 2019 ity ka tokony handoa 16 tapitrisa dolara. Arak’izany dia tafakatra 93 tapitrisa dolara ny trosa tokony haloan’ny fanjakana Malagasy. Izany rehetra izany no anisan’ny antony tsy maintsy hanaovana fitsirihana aloha hijerena ny zava-misy marina satria milaza ihany koa ny orinasa fa tsy mbola nahazo tombony mihitsy hatreto. Hisy mihitsy, hoy ny minisitra ny mpitsirika matihanina avy any ivelany izay hafaran’ny fanjakana ankoatra ny eto Madagasikara.

 

Tsirinasolo

 

Ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy loharanon-karena sratejika, Fidiniavo Ravokatra

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT