Dossier

Fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara Lava loatra ny lalam-bola


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Miainga amin’ny fandraisana sy ny fampiharana ny andraikitry ny fanjakana ihany ny fahatanterahan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy hoy ny mpahay lalàna momba ny fitantanam-bola, Fanahimanana Tiaray.

 

 

 Mety misy ny tsy fahampiana ara-bola kanefa tokony homena ny fahazakan-tenany ara-pitantanana ny amin’izany ny eny amin’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, hoy izy. Olana hatrany ny fiandrasana fanapahan-kevitra avy any amin’ny minisitera amin’ny lafiny fitantanana sy ara-bola ary tena tsy afa-mihetsika ny ben’ny tanàna sy ny sefo distrika miandry ny baiko sy ny fahazoan-dalana avy any. Nanambara ihany koa ity mpahay lalàna ity fa lava sy ela loata ny lalan’ny vola ho famatsiana ny vondrom-bahoakam- paritra itsinjaram-pahefana ka miteraka olana amin’ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy.  Ny hetra rehetra dia vola tokony hiverina any amin’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana tahaka ny kaominina ny ankamaroany. Amin’izany anefa dia arotsaka any amin’ny mpandray hetra (perception principale) daholo indray aloha. Aorian’izay dia manao tatitra amin’ny tahirim-bolam-panjakana (trésorerie génerale) indray ny eny amin’ny birao mpanangona hetra milaza ny vola rehetra voangona. Alefa aty Antananarivo indray avy eo ny tatitra rehetra momba ny vola eo an-tanana ary ampahafantarina amin’ny minisiteran’ny atitany. Vita izay rehetra izay vao  miverina miakatra amin’ny lalana teo indray vao mahazo ny vola ny kaominina na ny eny anivon’ny distrika. Araka izany dia tsy azon’ny kaominina atao mihitsy ny maka sy mandray ny anjara volany  mivantana satria tsy mifanaraka amin’ ny lalàn’ny fitantanam-bola eto Madagasikara. Tokony hitadiavana fanafohezana  ary tokony hohavaozina izay lalana lava loatra izay satria tena mahataraiky ny asa rehetra. Iaraha-mahalala ihany koa moa ny lalana simba sy ny tsy fahaizan’ireo tompon’andraikitra taratasy, indrindra any amin’ireny kaominina lavitra be ireny. Izay ihany koa no mahatonga ny kolikoly eo anivon’ny tsenam-baro-panjakana, indrindra ny fanodinkodinam-bola hoy hatrany i Fanahimanana Tiaray.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT