Dossier

Fitsarana ireo dosie mafana ao amin’ny PAC Ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fitandroana ny filaminana


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Maro ireo dosie mafampana hotsaraina eo anivon’ny PAC na “Pôle Anti-Corruption” tsy ho ela.

 

 

Efa nandray fepetra manoloana izany ireo mpitsara sy ny mpitandro ny filaminana, ka ho hentitra noho izany ny fitandroana ny filaminana sy ny fanaraha-maso ireo mpanatrika, mba tsy hisian’ny korontana sy ny mety tsy ho filaminana. Dieny izao, dia ho hentitra ny vovonana iray miady amin’ny kolikoly ity, amin’ireo fitsarana ireo antontan-taratasy maro, indrindra fa ireo dosie lehibe hotsaraina ao amin’ny PAC, mandra-pahatonga ny faran’ny taona. Tsiahivana, hoy ny mpampanoa lalàna eo anivon’ity rafitra miady amin’ny kolikoly ity, Atoa Solofohery  Razafindrakoto  fa mahatratra 70 ireo antontan-taratasy voaray, ka ezahina hotsaraina amin’ity taona ity avokoa ireo. Ny 19 ka hatramin’ny 27 novambra  ho avy izao, dia antontan-taratasy 13 no hotsaraina ary olona 38 voapanga no tsaraina. Heloka bevava toy ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, fanondranana  harem-pirenena sy olona mankany ivelany no jerena sy tsaraina amin’izany, hoy ny fanazavana. “Session” valo no mandalo eo anivon’io rafitra io, ka ny voalohany ny 2 septambra ho avy izao ary ny volana oktobra sy desambra kosa ny “session” faharoa. Araka ny fanazavan’ity mpampanoa lalàna ity hatrany, dia efa vonona amin’ny fitsarana ny ireo mpitsara ary hotsaraina mialoha ny faran’ny taona avokoa ireo antontan-taratasy ireo, hoy hatrany ny fanazavany.

 

 

 

Sitraka r.

 

 

 

 

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT