Dossier

Fitsarana eto Madagasikara Maro ireo rafitra mampandringa azy


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Ny 19 janoary ho avy izao no hanao fianianana ampahibemaso eny amin’ny kianjan’i Mahamasina ny filoham-pirenena vaovao ka aorian’izay no hijoro ny governemanta vaovao.

 

 

Ho an’i Imbiky Herilaza, mpitsara, dia mitaky ny fanajana ny fahaleovantenan’ny Fitsarana satria zava-dehibe izany. Ohatra noraisiny ny fanovana ny rafitra ao amin’ny  Filankevitra ambony momba ny mpitsara, mba tsy ny filoham-pirenena no filoha ao ka tsy tokony ho ny Fitsarana ihany koa no filoha lefitra. Tokony  hojerena ireny rafitra be dia be mijoro izay mandingana ny fitsarana mahefa ny fametrahana azy ireny. Ny « Chaine pénale anti-corruption » izay fitsarana momba ny ady amin’ny fanondranana ny harem-pirenena. Mandingana ny rafitra efa misy izy io kanefa raha tokony ho izy dia ny eo ihany no hatsaraina. Nilaza i Imbiky Herilaza fa ny andrasana avy amin’ny mpitondra dia ny fampitomboana ny tetibola hiasan’ireo mpitsara satria tsy azo hiasana izay misy. Ankotra izay, ny fanomezan-danja amin’ny maha olombelona eo amin’ireo mpitsara. Maro ireo « Indemnités » sy « avantages » izay tsy miditra ao anaty karama ka rehefa miala eto ny mpitsara iray misotro ronono dia tsy misitraka an’izay fa ny vatakaramany no raisina. Miantso ireo mpitsara kosa izy fa raha toa ka te hisitraka ny fanovana izy ireo dia tokony hanao ezaka ny mpitsara tsirairay eo anivon’ny fanatsarana ny asany sy ny toetra mba hipetrahan’ny fitokisan’ny vahoaka ny fitsarana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT