Natomboka tamin`ny fomba ofisialy omaly ny asa eo anivon`ny Fitsarana Ambony (HCJ) satria tafapetraka ireo mpikambana vaovao, miisa telo (3) izay nanao fianianana tetsy amin`ny Fitsarana an-tampony Anosy.
Niteraka resa-be teto amin`ny firenena ny momba ny fananganana ny Fitsarana Ambony satria milaza ny lalàmpanorenana fa herintaona aorian’ny fianianan`ny filoham-pirenena no tsy maintsy najoro izy io. Diso ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina fa tsy nametraka io rafitra io ka tsy maintsy napetraka tao anatin`ny fotoana faran’izay haingana ka ny volana jona lasa teo vao tafapetraka. Tafiditra tao anatin`ny didy fanapahana navoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tamin`ny 25 mey 2018. Mazava ao amin`ny and. 138, mitsara ny filohan`ny Repoblika sy ireo Andrim-panjakana ny Fitsarana Ambony. Tsiahivina fa ny mpikambana eo anivon`ny HCJ dia miisa 11 ka misy solontenam-panjakana ihany na dia saika mpitsara matihanina avokoa ny mandrafitra azy. Ahitana solontena roa avy amin`ny Antenimieram-pirenena, roa avy amin`ny Antenimierandoholona, roa avy amin`ny filankevitra ambony misahana ny fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDED). Anisan`ireo handrafitra ity rafi-pitsarana ity ihany koa ny filoha sy ny tonian`ny mpampanoa lalàna ao amin`ny Fitsarana an-tampony. Eo ihany koa ny filohan`ny fitsarana fandravana didy, ary ireo filoha roa eo anivon`ny Fitsarana Ambony. Ahitana mpikambana mpanampy miisa enina ao amin`ity HCJ ity. Sambany vao hanana rafi-pitsarana ho an`ireo manampahefana ambony ny eto amin`ny firenena, antony nametrahana ny HCJ ho an`ny tokony ho izy ny tany tan-dalàna.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.