Dossier

Fitrandrahana solika mavesatra any Tsimiroro Nikatso ny famokarana


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Manankarena tokoa i Madagasikara. Solika maherin`ny 2 lavitrisa barila no tahiry ao ambanin`ny tany.

Tonga nitrandraka izany i ``Madagascar Oil`` tany Tsimiroro ary natao kabary tsara lahatra hatramin`izay fa hivaha ny ampahany amin`ny delestazy, rehefa mampiasa ny solika ``fuel`` avy any Tsimororo, vokarin`ny orinasa eto an-toerana  Madagascar Oil ny Jirama. Ny taona 2015, tonga tany an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, nitokana io toeram-pitrandrahana solika voalohany eto Madagasikara io.

 

Fanta-daza amin'ny fananany an'ireo otrikarena maro karazana sy tsy manan-tsahala i Madagasikara. Koa zava-dehibe tokoa ny fisian'ny toeram-pitrandrahana solika voalohany toy ny orinasa ``Madagascar Oil`` any Tsimiroro. Ny taona 2016 dia nisedra olana ity orinasa mpitrandraka solika ity ary manana sakana amin’ny famarotana ny vokatra ho an’ny tsena anatiny ny orinasa, na dia efa nisy aza ny fankatoavana ara-dalàna amin’ny fahafahan’ny orinasa mitsinjara sy mitatitra ny “Huiles lourdes” na solika mavesatra. Natao kabary tsara lahatra hatramin`izay anefa fa hivaha ny delestazy rehefa mampiasa ny solika ``fuel`` avy any Tsimororo, ìzay vokarin`ny orinasa eto an-toerana Mada Oil ny Jirama.


Ianjadian`ny olana

Nisy sakana amin’ny famarotana ny vokatra ho an’ny tsena anatiny ny orinasa kanefa nisy ny fankatoavana ara-dalàna amin’ny fahafahan’ny orinasa mitsinjara sy mitatitra ny “Fuel lourd” na solika mavesatra vokarina avy any Tsimiroro. Mahatratra 160 000 barila ny solika mavesatra mitoby fotsiny ao an-toerana amin`izao fotoana izao kanefa tsy afaka miditra ho anisan’ny mpifaninana hahazo ny tsenam-barotra amin’ny famatsiana an`ny Jirama ny “Madagascar Oil”. Saro-pady ireo fotodrafitrasa ampiaisain`ny Jirama ka tsy tokony hanaovana andrankandrana sady misahana asa ho an`ny vahoaka sy iankinan`ny ain`ny firenena, hoy ny tompon`andraikitry ity orisam-panjakana ity tamin`izany. Tsy maintsy mila fanamarinana avy amin`ny orinasa mpanamboatra ny milina sy ny fitaovana ampiaisainy ny Jirama fa afaka mampiasa karazan-tsolika hafa miohatra amin`ny fampiasany mahazatra. Izany hoe tsy tokony hionona amin`ny vidin`ny solika mora. Misy karazany roa mantsy ny solika na “conventionnel” izany hoe ilay solika maintimainty be toy ny mahazatra na “non conventionnel” ilay menaka mavesatra na “forte densite” izay ambany kokoa ny vidiny. Zary lasa kabary ny filazana fa hamaha ny olana ny fisian`ny masonkarenan`ny Jirama na lazaina fa mora lavitra ny fampiasana fuel miohatra amin`ny gazoala. Tsy vitan`ny hoe “tsy afaka mamokatra intsony” ny orinasa fa voatery naato tamin`ny asany ireo mpiasa maherin`ny 50 ary betsaka ny mpiasa mandry tsy lavo loha amin`izao fotoana na dia miezaka mandoa ara-dalàna ny karama aza ireo tompom-bola.


Ny filan`ny JIRAMA

Tsy afaka mampiasa ny solika avy any Tsimororo ny Jirama satria tsy manana fotodrafitrasa sahaza hitarihizana an`izany ity orinasam-panjakana ity. Mila fitaovana manokana koa ny fitaterana azy mankaty Antananarivo satria ny maripana tsy maintsy tazomina. Samy hafa rahateo ireo “groups” ka misy mandeha amin`ny huiles lourdes ary misy amin`ny gazoala ka mety mila fanamboarana. Tsy fantatra mazava ny hoe firy isan-jato no mandeha amin`ny menaka mavesatra sy mandeha amin`ny Gazoala. Ny “Madagascar Oil” kosa dia nilaza fa azon`ny Jirama sy ny orinasa tsy miakina anatiny mamokatra herinatra amin`ny alalan`ny fuel ilainy amin`ny famokarany ny solika vokariny. Efa natao ny fitiliana ara-teknika rehetra ary fantatra fa tsara ny kalitaon`ny fuel, ambany ny tahan`ny rano ary azo ampiasaina tsara amin`ny famokarana herinaratra. Efa nisy ny andrana natao araka izany niarahana tamin`ny orinasa Symbion Power izay mpiara-miombon’antoka amin’ny Jirama amin’ny famokarana ao Mandroseza. Ny JIRAMA dia mila 2 arivo barila an`izany “fuel” izany kanefa ny Madagascar Oil dia efa manana tahirin-tsolika mavesatra izay mahatratra 160 000 barila afaka manodina ny milina mamokatra 40MW eny Mandroseza ao anatin’ny 6 volana. Ny « Huiles Lourdes » avy ao Tsimiroro ihany koa dia tsy mila raffinerie ka ampiana « pourcentage de gasol » dia afaka manome an`ilay « huiles lourdes » ilain`ny Jirama.


Sehatra ara-barotra

Nisy ny antso tolobidy hamatsy solika fuel nataon`ny Jirama ary nanao fanambarana ny orinasa Madagascar Oil fa tsy afaka handray anjara tamin`izany. Tsy voalaza tamin`ny fepetran`ny tolobidy ny fahafahana miantso mpiara-miombon`antoka hafa. Nikasa nikaroka mpiara miombon`antoka mantsy ny Mada Oil hanatrarana ny fatra ilaina, ka hampitomboana ny solika vatsina avy amin`ireo 30 000m3 tahirizina any Tsimiroro. Mila “Autorisation de vente” mantsy raha fitrandrahana harena ankibon`ny tany avy any amin`ny fitondram-panjakana amin`ny maha orinasa mpamokatra an`ny Mada Oil.  Raha ny tsena anatiny dia sarotra ho an`ity orinasa no mivelona eto na dia misy aza ireo orinasa mampiasa “chaudieres” amin`ny Huiles Lourdes  toy ny Star na koa Holcim. Ny olana anefa dia kely ny fatra hilain`izy ireo ka mety hiteraka fatiantoka. Eo amin`ny iraisam-pirenena kosa, dia maro ireo firenen-dehibe afaka miara-miasa amin`ny Madagascar Oil toa an`i Sina sy Kanada. Marihina fa tsara ny kalitaon`ny solika mavesatra ao Tsimiroro satria io “Fuel” io dia azo avadika “HFO 380” sy “Fuel Oil 700”, izay “produits derives” azo avy aminy ka ampiarahana gazoala 10% hatramin`ny 15%. Raha tanteraka izany, afaka miverina mamokatra indray ka afaka manohy ny fanamboaran-dalana Tsimiroro Tsiroamandidy sy ny toby any an-toerana ary hampitombo ny famokarana solika. Ny lalana rahateo dia olana sedraina amin`ny fanondranana satria i Tsimiroro dia 200 km miala any Maintirano sady ao anaty tanàna. Araka izany, vonona hanohana ny mponina any ifotony, hamatsy “fuel” ny tsena anatiny, hanatanterahana ny laharam-pahamehana mitondra fampandrosoana maharitra.


Ho sarotra ny fitrandrahana

Raha mbola misalasala ny fitondram-panjakana hamaha ny olana amin`ity orinasa ity dia hiteraka olana mbola ho goavana indray. Antony, mihena ny maripanan`ilay “huiles Lourdes”, izany hoe tantara hafa indray ny fitrandrahana an`izany. Ny teknika nanpiasaina hatramin`izay dia “injection à la vapeur”. Io solika mavesatra io dia mafy be any ambanin`ny tany ary paompy roa no ilaina amin`izany. Handatsahana etona mamay be any ambany any ary izay no manafana an`lay solika. Amin`izao fotoana izao dia miha mangatsiaka indray ka mety rano fotsiny no azo ary tsy mbola azo ny ``chaleurs requises``. Araka izany, menaka sy rano mifangaro no mety azo amin`izay ka mila haingana sy matotra ny fanapahan-kevitra raisin`ny fitondram-panjakana satria ho lany vola be raha hanao “redressement”. Na ireo fitaovana aza mbola haverina atao fanamboarana, ny paompy rehetra ihany koa sao mitera doza. 


Zatra lalan-dririnina

Anisan’ireo firenena tena hanjakan’ny kolikoly koa i Madagasikara ary misy izany ny rafitra sy ny sehatr’asa eto na miankina amin’ny fanjakana io na tsy miankina. Ny orinasa Mada Oil dia mampihatra ny politika manokana iadiavana amin`ny kolikoly. Mety ho anisan`ireo sakana tsy ahafahan`ity orinasa ity mamatsy solika mavesatra an`ny orinasa Jirama izay milaza fa  ny solika mavesatra avy any ivelany no tadiavina. Ambentin-tenin’ny filoham-pirenena tamin’ny kabariny hatramin’ny niandohan’ity fitondrana Hvm ity ny hoe laharam-pahamehana ny fitrandrahana ireo otrikarena voajanahary ananantsika. Zatra lalan-dririnina marina ka tsy mikatsaka ny soa iombonana fa miandrandra tombontsoa manokana ho an'ny tena sy ny fianakavian'ny tena. Lasa atao avokoa izay mety hahazoana izany, eny hatramin'ny fivarotan-tanindrazana sy ny fandrobana ny harem-pirenena.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT