Dossier

Fitrandrahana ny ranomasina Azo hisarihana fampiasam-bola


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Nihaona tamin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, omaly maraina,

 

 ny delegasiona amerikanina notarihin’i Philip Heyl izay mpanolotsaina eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana an-dranomasina ho an’i Afrika eo anivon’ny departemantam-panjakana amerikanina. Tonga eto hanampy an’i Madagasikara amin’ny fametrahana drafitrasa mahakasika ny ranomasina izy ireo. Tafiditra amin’ny fandaharam-potoanan’ny delegasiona ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, hanangonana ny volavolan-kevitra mahakasika io drafitra hampandrosoana ny tontolo an-dranomasina io. Nambaran’i Philip Heyl fa tokony hotrandrahana ny ranomasina satria ny ranomasina hoy izy, rehefa mihatsara ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny sisin-dranomasina, dia mitondra fampiasam-bola koa eto amintsika. Nomarihiny fa vonona hanampy antsika amin’ny dingana irosoana amin’izany ny Amerikana fa anjarantsika Malagasy kosa ny mandray andraikitra momba izany. Firenena miisa valo aty Afrika no efa nitondran’i Philip Heyl ny traikefany tamin’ny nandrafetana ny paikadim-pirenena amin’ny fampandriana fahalemana ny eny an-dranomasina.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT