Dossier

Fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany Mila alamina ireo mpisehatra


  • Zoma 08 Martsa 2019

Nanatontosa latabatra boribory nasionaly izay nokarakarain’ny Search For Common Ground (SFCG) tetsy amin’ny Hotely Panorama Andrianarivo omaly alakamisy 07 martsa ireo mpisehatra amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany.

 

 Atrikasa nahian’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany, Fidiniavo Ravokatra izay nampitondraina ny lohahevitra hoe “fampiroboroboana ny fitondrana tsara tantana sy ny fanajana ny zon’olombelona amin’ny sehatry ny fitrandrahana”. Tafiditra amin’izany ny vato sarobidy sy ny solika. Efa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny taona 2016 nataon’ireo mpitrandraka, ny mponina sy ny fitondram-panjakana ary ireo mpitandro ny  filaminana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ka fanamafisana izany no tanjon’ny fifampidinihina amin’ny latabatra boribory. Matetika rehefa tsy voarindra tsara ny andraikitra dia misy hatrany ny disadisa amin’ireo mpisehatra efatra ireo ka izay no anton’ny fifanakalozan-kevitra mba hisian’ny fangaraharana sy ahafantarana ny zo sy ny andraikitry ny rehetra mba hisian’ny fiaraha-monina mirindra. Hojerena aorian’izao atrikasa izao moa ireo mety trangana disadisa misy sy mety hampiahiahy ary ireo vahaolana ny amin’izany eny anivon’ny toerana anaovana fitrandrahana. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ireo mpisehatra efatra ireo mba ho matotra kokoaka hiteraka fampandrosoana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT