Betsaka ny mpandraharaha malagasy misehatra amin’ny fitrandrahana madinika (petites mines) raha oharina amin’ny fitrandrahana vaventy (filières grandes mines).
Ity fitrandrahana madinika ity dia anisan’ny sehatra ahafahana mampiroborobo ny toekarena kanefa tena anjakazakan’ny vahiny raha ny eto Madagasikara. Nanambara ny mpandraharaha mpitrandraka madinika iray, Liva Randrianasolo fa tokony hampiharina amin’izay ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto amin’ny firenena Ankoatra izay dia mampitaraina ihany koa ny mikasika ny fandefasana « échantillons » mankany ivelany izay ny vahiny no tena manankarena sy mahazo tombony. Ny 80%-n’ireo vahiny mpandraharaha eo amin‘ny fitrandrahana madinika eto Madagasikara anefa dia saika ireo mitondra visa touristique avokoa. Anisan’izany ireo teratany Srilanke, Sinoa, Tailande ary Afrikanina izay tena misehatra eo amin’ny fandraharahana amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eto amin’ny firenena. Fehezin’ireo teratany vahiny izay mody mitondra anarana mpizahatany ireo avokoa manomboka eny amin’ny kariera fitrandrahana, ny fanerana ny vato ary hatramin’ny fanondranana. Rehefa izay dia tena mahazo tombony be mihoatra lavitra amin’ireo mpandraharaha malagasy eto an-toerana izy ireo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.