Vao ny 3 %-n’ny vola azo avy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto amintsika ihany no fantatra fa miditra anaty kitapom-bolam-panjakana hatramin’izao.
Noho ny fitrandrahana tsy ara-dalana sy ny fanomezana taratasy hahafahana mitrandraka nefa tsy hita izay vokany no antony mahatonga izany. Mba hahafahana tena manara-maso feno ity sehatra iray ity ary no sady hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka mivantana ny fanaovana izany dia nisy ny atrikasa notanterahina tetsy amin’ny hotel carlton Anosy omaly. Ny fitsarana ara-bola eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana no mandray an-tanana izany, notronin’ireo vahiny avy any ivelany tohanan’ny governemanta Kanadiana. Tanjona ny hahafahana manao audit ny resaka fitrandrahana harena ambanin’ny tany eto amintsika, manomboka any amin’ny fanomezana taratasy fahazoan-dalana, ny fijerena ny lafin’ny tontolo iainana, ny fitrandrahana ary ny vola miditra. Tanjona ny mba hahafahan’ny vahoaka Malagasy migoka ny tombontsoa azo avy amin’izany, indrindra fa ireo monina any amin’ny faritra hanaovana ny fitrandrahana. Aorian’ity atrikasa ity moa izay marihina fa vao sambany ihany no hahafahana mampiakatra ny tahan’ny vola tokony hampidirina ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana fa tsy mandeha ho azy toy ny teo aloha intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.