Nivoaka ny didim-pitondrana laharana 14 274 / 2019 mampiato ny fitrandrahana drakaka anaty Ala honko eo anelanelan’ny 10 aogositra-31 oktobra 2019.
Nampihena be io vokatra io, na teo amin’ny habeny na teo amin’ny habetsahany ny tsy fisian’ny fanakatonana tao anatin’ny 2 taona, izay nahatsapan’ireo mpandraharaha misehatra amin’io lalam-pihariana io, ka niombonan’izy ireo hevitra tamin’ny fitondram-panjakana amin’ny tokony hamoahana ny didim-pitondrana mampiato kely izany aloha, ka io tanteraka io. Nohamafisiny fa « Ny fitrandrahana drakaka amin'ny endriny rehetra, indrindra ny fanjonoana, fanangonana famarotana, fividianana, ny fitaterana, ny famezivezena, ny fitehirizana ary ny fanondranana ny drakaka anaty ala honko (Scylla serrata) eto Madagasikara (velona, fitehirizana am-bifotsy, ny fitahirizana mivaingana manontolo, potipotika, nofony …, dia mikatona manomboka ny 10 aogosotra maraina ka hatramin’ny 31 oktobra 2019 misasak’alina, isan-taona amin’ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara ». Ho hentitra ny sazy ho an’ireo izay minia mandika izany hiarovana tsy hahalany tamingana ireo drakaka anaty ala honko eto Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.