Dossier

Fitrandrahana ataon’ny Vatosoa Mining Nandefa taratasy ho an’ny kaominina Andohanilakaka ny prezidansa.


  • Alatsinainy 23 Septambra 2019

Tonga nifanatrika tamin’ireo vahoaka ao Bepeha i Fernand Cello omaly alahady 22 septambra tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro,ary nampiseho ny valin‘ny taratasy fitarainana nataon’ireo vahoaka ao an-toerana.

 

 

 

 

Teo ihany koa no nanaovany fanambarana fa kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto Andohanilakaka ny tenany. Raha hiverenana kely dia mijaly noho ny fitrandrahana ataon’ity orinasa mpitrandraka safira ity ireo vahoaka any an-toerana, satria lasa mifanohitra tanteraka amin’ny voalaza ao anatin’ny bokin’andraikitra ny zava-misy ao Bepeha. Tsy azo atao intsony ny mandeha amin’ny lalana manakaiky ny toerana misy ny orinasa, eny fa na dia handeha hiantsena any Manombobe aza ireo olona avy ao Bepeha, satria dia henjehina.  Maro amin’ireo olona no voadaroka sy hiharan’ny tsindry hazo lena ary niafara tamin’ny aina nafoy mihitsy aza farany teo.Andrasan’ny mponina any an-toerana moa ny fametrahana drafitra sy tetiandro mazava ho fanatanterahan’ity orinasa ity ny zavatra voalaza ao anatin’ny bokin’andraikitra.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT