Nampahafantarina omaly alakamisy 09 aogositra tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny atrikasa momba ny politika vaovao hifehezana ny ala sy ny fambolen-kazo eto Madagasikara.
Taorian’ny fikaonan-doha efa an-taonany maro dia mivoaka ny drafitrasa mahakasika izany. Mazava ho azy fa famadihana ho vokatra ny politika rehetra momba ny ala voarakitra anaty drafitrasa no antony. Anisan’izany ny fandraisan’anjara feno amin’ireo olona tompon’andraikitra rehetra izay voakasiky ny sampandraharaha momba ny ala. Ankoatra izay dia ireo indray no hanentana ny rehetra mba hifanome tanana amin’ny fomba hiarovana ny ala mba hampitombo ny harinkarena eto Madagasikara. Tanjona ny ahafahana mitantana maharitra ny ala amin’ny fametrahana fitsipika fifehezana ny rehetra mba hisy vokatsoa amin’ny toekarena ary ahazoana famatsiam-bola. Tsy ny ala ihany no ezahina harovana amin’ity tetikasa vaovao ity fa ny tontolo manodidina paysage mihitsy tahaka ny fambolena sy fiompiana ary ny vato sarobidy misy ao amin’ilay toerana misy ala. Mila kajiana tsara ny ala satria mihena hatrany eto Madagasikara kanefa ny fahandroan-tsakafon’ny Malagasy dia tena mbola miankina be aminy. Ho henjana ny sazy famaizana ho an’ireo tratra manimba, mangalatra ary manondrana an-tsokosoko ny ala satria harena iraisan’ny Malagasy ary mahatsara ny toekarena, hoy ny tale jeneralin’ny ala Rabenasolo Solofoniaina Eric.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.