Dossier

Fitotongan’ny toekaren’i Madagasikara Mila atosika haingana ny sehatra fampianarana


  • Alarobia 22 Aogositra 2018

Ankoatra ny tokony hisian’ny fanjakana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly dradradradrain’ny mpahay toekarena eto Madagasikara dia misy ny sehatra hafa tsara jerena maika eto amin’ny firenena.

 

 

 Latsaka ambany be ny faripahaizan’ny Malagasy ary vitsy no mianatra. Ambaratonga fototra no mba vitan’ny 75%-n’ny Malagasy, hany ka voafetra be ny fahaiza-manao sy ny famoronan-javatra hampandroso ny toekarena, araka ny nambaran’ny Profesora Hery Ramiarison (capital humain). Mila atosika mafy io sehatra fanabeazana io raha ny hevitr’ity mpahay sady mpampianatra toekarena ity. Rariny raha tsy misy famokarana sy toetsaina hanangana orinasa eto Madagasikara noho ny fahapotehan’ny sehatra fampianarana. Ankoatr’izay dia mampihemotra ny mpamatsy vola sasany mihitsy ny laza ratsin’i Madagasikara amin’io sehatra io. Misy fampiasam-bola tena ilaina olona manampahaizana maro amin’ny firenena kanefa vitsy ny Malagasy mahavita fianarana. Tsy misy ary tsy ampy ihany koa ny fanofanana ho matihanina manodidina io sehatra fanabeazana io hatreto ka izay no mampikoroso fahana azy hatrany. Eo ihany koa ny tokony hanomezana asa haingana ireo olona marobe tsy nianatra ireo ka hijerena asa mifanaraka amin’ny fahalalany. Ohatra amin’izany ny fampiroboroboana hatrany ny sehatra lamba (textile) izay ananan’i Madagasikara tombony.

Tsirinasolo

 

 

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT