Tsy mety tafarina mihitsy ny orinasam-panjakana potika noho ny fitantanana tsy mahomby tamin’ny tetezamita (2009-2013). Anisan’ireny ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Air Madagascar sy ny JIro sy RAno Malagasy.
Ity farany izay nisehoan’ny mpitondra tetezamita milay ka naidiny be tamin’ny fotoan’androny mba hambaboana ny fon’ny vahoaka. Mandrak’izao tsy tafaverina ny fatiatonka be tamin’ireny ka izao mitsipozipozy hatrany izao ny JIRAMA. Ny vahoaka mihitsy moa amin’izao no mizaka ny tsy eran’ny aina noho ny tsy fahamatorana sy ny fisehosehoana nataon’ny mpanongam-panjakana tamin’izany. Tsy nisy mihitsy ny paikady matotra hanarenana sy hampandrosoana ireny orinasa izay efa voadio sy voalamina tsara tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana ireny. Mahakasika ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar indray dia olona akaiky azy fotsiny no napetraka, hany ka tsy nisy zavatra nandeha tamin’ny laoniny ny fitantanana. Fiaramanidina Airbus efa maty kapoka avy any Frantsa no novidiana ary nampidiran-trosa ny firenena. Amin’izay anefa dia niziriziry tsy mety miala na dia efa tsy tian’ny mpiasa aza tamin’ny fotoan’androny. Ny amin’ny firenena mandroso anefa dia fahendrena sy fanajana tena ny fametraham-pialana rehefa tsy mahavaha olana sy tsy mahavita azy. Maro no resy lahatra fa ho tantely afa-drakotra hatrany ny kitapom-bolan’ny orinasam-panjakana raha mbola ireo mpitantana tamin’ny tetezamita ireo no hiverina hitondra eo.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.