Dossier

Fitondrana faha-Ravalomanana Namiratra tanteraka ny tarehimarika


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Tsy mbola nisy fitondrana teto Madagasikara nahitana marina ny atao hoe fampandrosoana ara-toekarena raha tsy tamin’ny andron’ny Filoha Marc Ravalomanana.

 

Saika voakasika niabo daholo tamin’ny fotoan’andro ireo singa mandrafitra sy manainga ny toekarena. Porofo lehibe ny nahatrarana ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena ho 7% tamin’izany. Taorian’ny tsy nahateo ity filoha mamim-bahoaka ity dia tsy nety nahatratra 5% mihitsy ny tarehimarika na dia nampiasa ny fahaiza-manaony aza ireo filoha nandimby azy. Raha itodihana indray ity tsy fandriampahalemana zary lasa foto-tsakafon’ny Malagasy amin’izao fotoana  ity dia tena nilamina tamin’izany. Nanomboka ny taona 2009 taorian’ny fanonganam-panjakana dia tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny dahalo izay tena nampikaikaika ny any ambanivohitra sy ny tany amin’ny faritra. Nahatratra 11.388 ireo dahalo voasambotra nandritra ny fotoanan’ny tetezamita araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena. Teo amin’ny lafiny fampianarana dia nianatra avokoa ny ankizy malagasy ary nozaraina fitaovana maimaimpoana hatrany amin’ny ambanivohitra lavitra rehetra any. Tany amin’ny fampianarana ambony aza moa dia nisondrotra 100% ny vatsim-pianarana vao nandray ny fitondrana i Marc Ravalomanana. Faly ary tena mazoto ny mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo satria nofoanana ny fisian’ny tahan’ny vatsim-pianarana tahaka ilay hoe 1/3, 2/3 ary 3/3. Raha momba ny tahan’ny fandraharahana dia saika manodidina ny 17% izany ary taorian’ny tsy nitantanan’ny filoha Ravalomanana ny firenena dia zara raha mahatratra 3% izany. Tsy holazaina intsony ny sehatra fizahantany izay tena niroborobo, mariky ny fahatokisan’ny teratany vahiny ny fitoniana sy ny fandriampahalemana tamin’izany : 375 010 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara tamin’ny taona 2008, ny 2009 dia nihena hatramin’ny 162 687 ary tsy tafarina nahatratra io tarehimarika io intsony mandrak’ity ny androany. Mbola maro ny sehatra hafa nampandrosoin’ny filoha Marc Ravalomanana tahaka ny fotodrafitrasa maro. Iza no hinia hikimpy ny vokatra tsara ara-toekarena noho ny famoronana sy fanamboaran-dalana tamin’izany. Ny sehatra fambolena izay efa kapoakan-dRavalo moa dia efa tena nahavelom-bolo sy nahalasa lavitra ny tantsaha. Sarotra amin’ny vahoaka Malagasy ny hamafa sy hanakosoka ireny, antony hankamamian’ny maro azy na dia ezahin’ny sasany takonana aza.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT