Dossier

Fitobahan’ny entana avy any ivelany Mamono ny orinasa Malagasy


  • Talata 13 Novambra 2018

Betsaka ny orinasa avy any ivelany amin’izao fotoana no miezaka mitrandraka ny tsena aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana hanondranana ny entan’izy ireo.

 

 

 Tahaka ny misy eto Madagasikara anefa dia matetika miteraka fahavoazana sy fatiantoka amin’ny orinasa misy eto an-toerana izany. Mivarotra sy manondrana entana amin’ny vidiny ambany, mihoatra amin’ny sarany misy any aminy mantsy ireo vahiny rehefa tonga eto an-tanindrazana (dumping) ka mahazo mora ny tsena aty Madagasikara. Rehefa izay anefa dia matiantoka ny orinasa Malagasy ary mora amin’ny firenena avy any ivelany manao fanondranana aty ny manarina ny fatiantoka nataony tany aminy rehefa mahazo ny tsena izy. Ankoatra izay dia misy ihany koa ny tsy fanarahan-dalàna ataona firenena vahiny manome fanampiana sy fanohanana ny orinasa mpanondrana entana avy any aminy mankaty Madagasikara izay mamotika sy mamono ny Indostria Malagasy noho ny fananany tombony amin’ny fifaninanana amin’ny famarotana entana mora. Noho izany, nandray fepetra ho fiarovana ireo orinasa sisa misy sy mihodina eto Madagasikara ny minisiteran’ny varotra ka nanangana ny rafitra mpanao fanadihadiana amin’ny lalàna momba ny fifaninanana (ANMCC) hampihatra ny fepetra sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fomba hiarovana ny Indostria Malagasy. Nisy ny fampiofanana natokana ho an’ireo mpisehatra amin’ny orinasa sy Indostria izay misy eto Madagasikara omaly alatsinainy 12 novambra tetsy amin’ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria Antaninarenina. Nanatanteraka izany ireo manampahaizana manokana avy eto an-toerana sy avy any ivelany ary ireo matihanina amin’ny sehatra Indostria. Fampiofanana mahakasika ny fanomanana ny antontan-taratasy rehefa hangataka ny fampiasana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (mesures correctives commerciales) mba hiarovana ny Indostria Malagasy eo anatrehan’ny fitobahan’ny entana avy any ivelany sy ny fandikana ny lalàn’ny fifaninanana no natao. Tanjona ny fetra fampitoviana eo amin’ny lafiny fifaninanana mba ho araka ny tokony ho izy ny ady ara-barotra ary hijerena hatrany ny tombony ho an’ny orinasa Malagasy. Eo ihany koa ny ezaka amin’ny fifehezana ny fitobahan’ny entana vahiny izay mamotika ny Indostria eto Madagasikara ka tsy mitondra fampandrosoana ara-toekarena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT