71 taona izay no lasa sy nahatsiarovana hatrany ny zava-nisy tamin’izany.
Maro ireo mpanoratra no efa namoaka ny fametsovetsoana ny raharaha 29 martsa 1947. Mipetraka ihany nefa ny fanontaniana ankehitriny: tanteraka ve ny nofinofin’ireo Maherifo Malagasy niady ho an’ny tanindrazany ireo, ary nitondra inona ho an’ny taranaka faramandimby ny ran’izy ireo latsaka ?
71 taona lasa izay no nisy fanoherana mavaivay nataon’ny Malagasy ny fanjanahana sy nanaovan’ny mpanjanaka vonomoka ireo nampangainy ho mpikomy niisa iray hetsy mahery. Nanorenana tsangambato any amin’ny tanàna maro manerana ny Nosy ho fahatsiarovana ireo Maherifo tamin’izany fotoana izany. Anisan’ireny ny ao Moramanga izay nampisehoan’ny mpanjanaka ny habibiany ka nitifirany ireo Malagasy an’aliny nafatrany toy ny omby tao anaty “wagon”. Isan-taona, ho fahatsiarovana ny tolom-panafahana tamin'ny 29 martsa 1947 dia mametraka fehezam-bonikazo eo amin'ny fasan'ny maherifo lavo ho an'ny fahaleovantena ireo andrimpanjakana sy ireo antoko politika na vondrona fikambanana. Natokana ho fisandratana ny olon`ny maherifo ny 29 martsa ary natao ho fahatsiarovana nentin-pahazarana izay lasa nentin-paharazana.
1947-1960
11 taona taty aoriana (1958) dia nitsangana ny Repoblika Malagasy ary roa taona taorian’izay, naverina tsy nisy ra nandriaka ny “fahaleovantena”. Efa niha nahazo vahana tokoa tamin’izany fotoana ny fitakiam-pahaleovantena nataon’ny MDRM, ka nitady ny hevitra rehetra ny Frantsay nanapotehana azy, ny fisamborana sy famonoana ireo mpitari-tolona MDRM no tetika maizina hitan’izy ireo fa ho fanapotehana ny tolon’ny Tia tanindrazana MDRM. Rehefa azo ny fahaleovantena dia teraka ny foloalindahy Malagasy natao hiaro ny Tanindrazana. Mbola ny mpanjanaka ihany anefa no nibaiko sy namaritra ny politikam-pitantanana tamin’ny alalan’ireo vazaha mpanolotsaina tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy tany amin’ny minisitera isan-tokony. Anisan’ny nofehezin’ireo orinasam-boanjo ihany koa ny lafiny fihariana sy toekarena ary ny vola satria tao anatin’ny faribola frantsa (zone franc) i Madagasikara. Mafy ny tolona tamin’izany raha ampitahaina ny amin’izao noho ny fitiavan-tanindrazan’ireo raiamandreny satria ireo maherifo ireo dia niaro ny fiandrianam-pireneny hatramin`ny farany.
Atao fitaovana
71 taona aty aorian’ny tolom-panafahana 1947 dia mbola ventiventesina hatrany ity tolona nahazoana fahaleovantena ity. Tsy maintsy atao fitaovana mba hahafahana manentana ny olona hanao fihetsiketsehana sy hampihetsika hambom-po. Tenenina foana nandritra ny tolona nifandimby : 1971, 1972, 1985, 1991, 2002 ary 2009. Antony dia faratampony tamin’ny fahafoizan-tena ho an’ny tanjona anankiray niadiana teto Madagasikara sady faratampony nisy ra nilatsaka teto an-tanindrazana. 300 000 mahery ireo nanao sorona ny taranany sy ny fananany, nahafoy ny ainy mba ho hevitra nahazoana fahaleovantena. Noho izany, nezahana nasongadina hoe izany no tena fahafoizan-tena faratampony.
Efa mihena ny fitiavana tanindrazana
Raha faritana tsotsotra ny atao hoe tia tnindrazana dia mitia ny mpiara-belona aminy, mifanampy ary mampitohy ny heriny rehetra katsahina ny mahasoa ny mpiara-belona aminy ho an’ny firenena. Ka na ny fahaizany na ny heriny entiny hanondrotana ny maha avo ny firenena sy maha izy azy ny tenany amin’ny fiandrianam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny ao anatin’ny famokarana, fiarovana, fanabeazana fitsinjovana ny taranaka faramandimby. Ankehitriny anefa toa tsy azon`ny Malagasy intsony ny atao hoe fitiavana tanindrazana. Marihana fa raha tsy manana fitiavan-tanindrazana dia tsy tody amin`izany. Ny fototry ny fitiavana tanindrazana dia ny resaka soatoavina amin’ny maha Malagasy. Manana toe-tsaina hampandroso amin’ny lafiny rehetra ary izay no tonga amin’ilay hoe : Tia tanindrazana. Ohatra, raha manana izay fitiavana tanindrazana ny olona iray mila ravinahitra any ivelany ka raha miverina eto dia hoe aleo izay zavatra rantoviko tany ivelany no entiko hanasoavana ny fireneko. Izay dia efa midika fitiavan-tanindrazana.
Tolona ho an`ny fampandrosoana
Tonga saina ny Malagasy sasantsasany tamin`izany fotoana ka nihetsika nanohitra ny endri-panjanahana mba ahafahana mampandroso an`i Madagasikara, Tsy azo lavina anefa fa ny fampandrosoana ny firenena dia andraikitry ny tsirairay amin’izay manandrify azy. Marina fa manana andraikitra lehibe ny mpitondra fa tsy tokony hifanome tsiny ary ailika any amin’ny mpitondra nifandimby. Fa raha mahatsiaro ho sarotiny ny olom-pirenena fa manana firenena mila hasondrotra dia manana izay andraikitra amin’ny fampandrosoana firenena. Izay fampitoviana fijery izay no tokony hipetraka amintsika Malagasy dia ny fanajàna lalàna misy izay lalàna velona amin’ny tany sy firenena, fanajana ny rafitra hitondrana misy ary ny fitandroana ny maha Malagasy, izany hoe ny fihavanana izay tena kolontsaina maha Malagasy izay tena iavahantsika amin’ny vahiny. Eo no tokony hifanohitra mba hiverenana amin’ny foto-pisainana amin’ny maha Malagasy antsika. Raha tsy fantatra ny maha Malagasy dia tsy afaka handroso mihitsy.
Famerenena ny fitiavan-tanindrazana
Tsy tafapetraka moramora ny fitiavana tanindrazana ary tsy azo volena androany na rahampitso satria fanabeazana ara-kolontsaina amin’ny maha Malagasy no ilaina. Io no tena fototra ary raha tsy mahalala ny “identité” ny ankizy dia tsy hahafantatra ny maha izy azy, tsy hahafantatra ny soatoavina amin’ny maha Malagasy azy sy ny tantaram-pireneny. Ireo firenena mantajaka anefa dia miaro ny vakoka ao aminy toy Place Rouge, Arc de la Défense, Arc du Triomphe satria fantany hoe : hatraiza ny sanda omen’ny firenena mantajaka amin’ireny vakoka ireny. Tsapany fa andry niankinany tamin’ny fampandrosoana ny fireneny. Tsy misy mahafantatra ny tantarany ny Malagasy ankehitriny kanefa dia azo fehezina. Fanabeazana no fototra voalohany ary ampianarina ho sarotiny amin’izany ny ankizy satria raha tsy mavesa-danja aminy ny kolontsaina amin’ny firenena ipetrahany dia ny hafa indray no hanavesa-danja ao aminy.
Vietnam
Olana amin’ny fampandrosoana eto amintsika ny mpitondra. Firenena anisan’ny nihetsika nandritra an`izany vanim-potoana izany i Vietnam. Nanana an’i Ho Chi Minh izy ireo izay mpitari-tolona vietnamianina ary tsapany fa izy no andry niankinan’ny firenena amin’ny maha mpitarika azy ka izany ny atao hoe “à l’image du chef”. Ny mpitondra tokony hametraka izay soatoavina izay ary miainga avy aminy ny “leadership” ka ireny no iankinan’ny zavatra maro mba hisian’ ilay “adhesion” sy “Idéal” apetraky ny lehibe. Ho Chi Minh nanana izay “culte de personnalité” izay ary hain’ny olona no nandray azy. Ho an’ny firenena sinoa ihany koa dia manana izay fitiavana tanindrazana izay. Na resaka fanjifana, reharehan`izy ireo no mihinana ny zavatra vokariny sady ``discipline`` amin’ny asany. Araka izany, mila finiavana ny mpitondra raha te hampandroso firenena.
Bekotro maroholatra
Andro ho fanomezam-boninahitra an`ireo mpitolona na bekotro maroholatra ny 29 Martsa. Misy fepetra takiana anefa vao afaka misitraka ireo fanampiana ireo. Misy sampandraharaha eo anivon`ny Tafika Malagasy izay miandraikitra ny fanadihadiana. Anisan`ny atao fanadihadiana ny tantara, ny andraikitra tamin’ny tolona toy ny hoe : mpanati-barin`ny mpitolona na koa mpanao “sabotage”, ny ratra na ivelany na anatiny ohatra nigadra ve, misy diam-bala... Arakarak’izay no hamenoana ny fangatahany mba ahafahany misitraka an’ilay zo sy ahazoan’ny « pension viagère ». Tsy maintsy 14 taona tamin`izany ihany koa ny salan-taona takiana. Nandritra ny lahateniny tany Moramanga tamin'ny fahatsiarovana ny faha-70 taonan'ny tolom-panafahana tamin'ny 29 martsa 1947 dia nampanantena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina fa hampakarina telo hetsy Ariary isan-telovolana ny vola fandrain'ireo Bekotro maroholatra raha 115 000 Ariary teo aloha. Misitraka fiahiana ara-tsosialy ihany koa ireo mpitolona ireo ka raha ohatra miditra hopitalim-panjakana dia misy ampahany raisin’ny fanjakana. Miisa 1 333 ireo bekotro maroholatra ireo manerana ny Nosy amin`izao. Tsy toy ny taloha ny fombam-pitolomana tamin`ny andronay raha ampitahaina amin’izao, hoy i Atoa Ranaivojaona, izay 103 taona amin`izao. Notsindriany fa ``300 000 no maty tamin`izany kanefa amin`izao firy fotsiny ? Ny fitiavan-tanindrazana dia hoe : namono tena ary sisam-paty no sisa tavela.
Nangonin`i Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.