Tena ilaina ny fampirisihina ny mpandraharaha sy mpamokatra, ny mpiasa sy ny mpikaroka Malagasy hanana ny fitiavan-tanindrazana ara-toekarena.
Rehefa izay no ao anatin’izy ireo dia ho mora kokoa ny ahatrarana ny tanjona ho fampiroboroboana ara-toekarena. Mifamatotra amin’izay ny fandraisan’anjaran’izy ireo hanovana ny drafitry ny toekarena amin’ny ankapobeny. Hatramin’izay dia toekarena miainga amin’ny fambolena hatrany no voizina eto Madagasikara kanefa efa afaka miditra amin’ny sehatra hafa tahaka ny fampiroboroboana ny Indostria ny firenena. Rehefa mipetraka io fitiavan-tanindrazana ara-toekarena io dia satry hatrany ny hanao fanodinana vokatra sy akora fototra eto an-toerana. Hiteraka fananganana Indostria hatrany ambanivohitra izany ary mainka hifamatotra amin’ny fampandrosoana ny sehatra fambolena sy fiompiana. Ankoatra izay, hanome lanja ny mpiasa Malagasy ary hitondra famoronan’asa mihitsy ka hanainga haingana be ny toekarena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.