Nisokatra omaly tetsy amin’ny Zone Forello Tanjombato ary haharitra 4 andro ny fampirantiana iraisampirenena andiany voalohany mahakasika ny fitaterana sy ny manodidina izany (salon international des transports, des Logistiques et de la manutention).
Betsaka ny lesoky ny fitaterana eto Madagasikara miainga hatrany amin’ny fitaterana ana habakabaka, ny eny an-dranomasina sy an-dranomamy, ny lalamby ary ny sehatry ny lalana. Nanambara ny minisitry ny Fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro, Joel Randriamandranto nandritra ny fanokafana fa tena tsy ampy ary tsy maintsy ampiana ny seranam-piaramanidina hatramin’ny taona 2023 handraisana sidina iraisampirenena. Efa misy 8 ny seranam-piaramanidina hitadiavana fiara-miasa amin’ireo mpandraharaha mpanambola amin’izo fotoana izao. Ny antso amin’ny tolobarotra aza moa efa vita tamin’ny volana Jolay ka ny 17 no namely izany ary ny 7 amin’ireo no nosafidiana. Amin’ny volana martsa 2020 izao, hoy ny minisitra no fantatra ireo mpiara-miombon’antoka vaovao. Izany no hatao mba hanatsarana ny fitaterana ana habakabaka izay tokony hampidi-bola amin’ny toekarena saingy noho ny lesoka maro dia ratsy laza maneran-tany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.