Dossier

Fitantanana raharaham-panjakana Mila fanaraha-maso goavana


  • Alarobia 21 Aogositra 2019

Hiditra amin`ny fandaniana ny tetibolam-panjakana lasitra ho an`ny taona 2020. Mijanona ho 2020 ny PMO saingy mifanaraka amin`izay ve ny tetibolam-panjakana ?

 

Rehefa miditra amin`ny programanasa isan-taona (plan de travail annuel) ny isaky ny minisitera dia tsy maintsy manaja an`izay fa tsy mivaona amin`ny zavatra hafa. Rehefa mipetraka ny drafitra dia apetraka ny programanasa isam-bolana sy isan-kerinandro mba arahina ireo mpiasam-panjakana ahafahana manatanteraka ilay PGE-PMO. Mametraka ny fanjakana tsara tantana ny fanjakana ka matetika teboka telo no tena ahitana sakana amin`ny fomba fiasa enti-manana, fanaraha-maso ary fametrahana ny olona tokony hanatanteraka ny asa. Momba ny tetibola aloha dia efa nanomboka tamin`ny herinandro ambony no napetraka ny “conference budgetaire” isaky ny minisitera. Miady ny tetibola entina miasa amin`ny taona 2020 fa jerena ihany koa ny fampiasana ny tetibolam-panjakana lasitra 2019 (LFI) sy nasiam-panitsiana 2019 (LFR) ka tsy maintsy mifanaraka amin`izay. Tsy maintsy mipetraka mazava tsara ny fomba handaniana azy. Eny anivon`ny sampandraharaha maro samihafa sy eny amin`ny andrimpankajana dia najoro ny “standard de service” izay manao ny tatitry ny asa vita isaky ny herinandro. Alefa eny amin`ny primatiora sy fiadiadin`ny Repoblika mba ahafahana mamaritra ireo asa vita. Mila fanaraha-maso goavana kosa eo amin`ny fametrahana lamin’asa. Mba ahafahana mijery izay fepetra horaisina raha fanatsarana na koa fanasaziana. Tokony ho olona mahefa sy mahafehy ny asa no apetraka amin`ireny asa ireny fa tsy tokony hisy intsony ny atao hoe “nepotisme” na kinamanamana…

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT