Dossier

Fitantanana ny tanàn-dehibe Hohatsaraina arakaraka ny hetahetan`ny mponina


  • Sabotsy 03 Novambra 2018

Efa mihamaro ny mponina eto Iarivo ankehitriny, hany tsy maharaka intsony ny fahamaroan`ny mponina ny fotodrafitrasa hahafahana mandray azy ireo eto amintsika raha ny tatitra nentin`ny minisiteran`ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany omaly.

 

 Araka ny fanazavana nentin`ny minisitra Christine Razanamahasoa, ny tetikasa an-tanàn-dehibe “plan d`urbanisme” amin`ny ankapobeny mihitsy no tokony hojerena manokana hahafahana mamaly ny hetahetan`ny mponina. Nomarihany fa ny tanàn-dehibe amin`ireo renivohi-paritany eto Madagasikara dia betsaka ny fanamby tokony hatao ahafahana manatsara hatrany ny fitantanana azy ireo. Nanamafy Rtoa Christine Razanamahasoa fa Antananarivo no renivohitra sady tanàn-dehibe voalohany eto amintsika satria ahitana ny fivangongoan`ny mponina sy sampandraharaham-panjakana maro. Nilaza izy fa mitaky ny fanamafisana sy ny fampitomboan`ny asa, ezaka atao momba ny fandaminana ny fitantanana ny tanàn-dehibe mba hanana ny fenitra hiatrika ny loza. Nampatsiahy ireo toetra tokony hananan`ny tanàn-dehibe ny tenany. Tanàn-dehibe mirindra sy milamina, mifandanja tsara ny fotodrafitrasa misy sy ny fitomboan`ny mponina, afaka afaka  manome asa sahaza, afaka miatrika ny fampihenana ireo sehatr`asa tsy manara-dalàna sady tsizarizary, afaka miatrika ny rotoroton`ny andavanandro, afaka miatrika ny fanatsarana ny faripiainan`ny mponina ao aminy, manome vahana ny fandraisana andraikitra ny olom-pirenena tsirairay ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra. Efa tena mihatery ity tanàna ity ka mila fanitarana misokatra amin`ny tanàna manodidina. Raha ny marina dia mila manova paikady vaovao hanasoavana ny vahoaka ny fitantanana eto amin`ity renivohitr`i Madagasikara ity.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT