Dossier

Fitantanana ny harena ankibon’ny tany Hanao tatitra amin’ny ITIE isan-taona i Madagasikara


  • Zoma 21 Jona 2019

Nandray anjara tamin’ny fikaonan-doha iraisam-pirenen’ny Initiative pour la Transparence dans les Industries Extractives (ITIE 2019)

 

 

 

naharitra roa andro tao Paris i Madagasikara. Tanjona ny hanovana ny endrik’i  Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noho ny laza ratsin’ny kolikoly. Eo ihany koa ny fizorana amin’ny fangaraharan’ny fitantanana ny harena ankibon’ny tany Malagasy manoloana izao fihaonan’ny ITIE izao. Nanararaotra nanao ny tatitra nandritra ny enim-bolana eo amin’ny sehatra harena ankibon’ny tany tamin’ny filohan’ny ITIE ny minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika Fidiniavo Ravokatra. Tsiahivina fa ny ITIE dia fikambanana manerana izao tontolo izao manara-maso sy mametraka ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny fitrandrahana sy fitantanana ny harena ankibon’ny tany amin’ny fomba mangarahara ary nanala ny sazy nihatra tamin’i Madagasikara tamin’ity taona ity. Amin’izao moa dia nampidirina amin’ireo sehatra iompanan’ny kitapom-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana mihitsy ny fitantanana ny harena ankibon’ny tany teto Madagasikara. Nanomboka ny 18 ka hatramin’ny 19 jona lasa teo ny fikaonan-doha ka nibahan-toerana tao ny fifanakalozana sy ireo paik’ady maharitra ny amin’ny fitantanana ny harena ankibon’ny tany. Nihaona nivantana tamin’ny filohan’ny ITIE  Fredrik Reinfeldt tao Parisy ny minisitry ny angovo ary nanaiky fa hanao tatitra isan-taona ny amin’ny fitrandrahana ary amin’ny endriny mangarahara sy mifanakara amin’ny fepetran’ny ITIE atao eto Madagasikara.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT