Dossier

Fitantanana disadisa eo amin’ny firenena Ambany ny tahan’ny vehivavy eto Madagasikara


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Raha ny eto Madagasikara manokana dia mbola ambany hatrany ny fandraisan’anjara ataon’ny vehivavy ny amin’ny fitantanana disadisa mihoatra ny amin’ireo firenena afrikanina hafa.

 

 

 

 Antom-pisian’ny komity momba ny fampihavanam-pirenena (CRN) seksiona vehivavy eto Madagasikara izay mivondrona ao anatin’ny fikambanan’ny vehivavy mpanelanelana aty afrika (FEMWISE Africa). Nahazo fampiofanana avy amin’ny firenena mikambana manokana ireo vehivavy mivondrona ao ny amin’ny fitantanana disadisa (gestion de conflits). Nozarain’ireo CRN vehivavy tamin’ny vehivavy Malagasy izany tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena tamin’ny faran’ny herinandro teo satria na ny fiainany andavanandro ao amin’ny tokantrano, ny fokontany, ny firenena  aza, hoy izy ireo dia efa misy disadisa ary anjara biriky entina amin’ny fampandrosoana izany. Tanjona manaraka ny hamoronana mihitsy ny tambajotram-behivavy misehatra tanteraka anatin’ny fihavanam-pirenena sy ny fandriampahalemana amin’ny faritra 22 ary atambatra amin’ny firenena afrikanina izany. Lesoka tokony heverina haingana, hoy izy ireo ny fahazoana ny vaovao eto Madagasikara satria maro be ny vehivavy tsy taitra amin’izany na dia efa tokony hirosoana aza, indrindra eto amin’ny firenena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT