Dossier

Fitantanam-bola Nahavita ezaka betsaka ny governemanta Malagasy


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Nivoitra io nandritra ny fitsidihana ara-pomba fifanajana ny praiminisitra, Ntsay Christian, nataon’ny solontena vaovaon’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI) eto Madagasikara,

 

 

 Marc Gérard. “Nahavita ezaka betsaka ny governemanta Malagasy”, hoy ity solontenan’ny FMI ity, “na teo amin’ny fitantanam-bola na teo amin’ny fandrindrana ny lafiny toekarena ankapobeny, indrindra tamin’ny namerenana ny fitombon’ny harinkarena izay nitohy hatrany”. Nambarany fa hifantoka manokana amin’ny olana mahakasika ny vidin-tsolika, ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ny Jirama ary ny ady amin’ny kolikoly, ireo asa hotanterahin’ny iraky ny FMI ho avy manaraka, ary hatao vaindohan-draharaha eo amin’ny fiaraha-miasa izany. Marihina fa ny 21 aogositra lasa teo no tonga nitsidika ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Andriambololona Vonintsalama Sehenosoa, ity solontena maharitra vaovao ny FMI eto Madagasikara ity ary nifantoka tamin’ny fanomanana ny fanavaozana faha-4 amin’ny fandaharan’asa FEC (Facilité Élargie de Crédit) amin’ny famoahana vola izay kasaina amin’ny tapaky ny volana septambra ho avy izao.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT