Dossier

Fitadiavan’asa Takian’ny orinasa maro ny fahaizana teny Anglisy


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Tsy azo ihodivirana intsony ny tokony hifehezana ny teny Anglisy eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao mantsy dia saika mitaky ny fahaizana io teny vahiny io avokoa ireo orinasa maro.

 

Manana tombony hatrany ireo ankizy mahafehy ny teny Anglisy indrindra rehefa hiditra amin’ny tontolon’ny asa hoy ny Tale Jeneralin’ny sekoly English Teaching Program, Vonimalala Razanadrakoto nandritra ny famoahana sy ny fanolorana filazam-pahaizana ireo mpianatra miisa 189 tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly. Mahafehy tanteraka ny fitenenana, famakiana, fihainoana ary fanoratana ny teny Anglisy ireto mpianatra ireto. Nilaza ihany koa ny Tale fa hanao ny ezaka rehetra hahazoana ny fanekena ny fari-pahaizana amin’ity sekoly ity manerana ny firenena ivelany rehetra (accréditation). Ankoatr’izany moa dia misy ihany koa ny fanampiana ataon’ny sekoly amin’ireo ankizy tena mahay nefa tsy manana fahefana handoa saram-pianarana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT