Dossier

Fitadiavana asa eto Madagasikara Sakana ny tsy fahaizana mifehy ny teny vahiny


  • Zoma 17 Aogositra 2018

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy omaly alakamisy ilay hetsika mandritra ny roa andro “3 in one Event” izay karakarain’ny AS’Sidus.

  Hetsika natao hihaonan’ireo sekoly ambony sy ny orinasa “call center” eto an-drenivohitra izy io hanoroana lalana  ireo mpianatra ao amin’ny taona famaranana. Misy ihany koa ny fandraisana mpiasa ho an’ireo izay mitady asa ka eo no ho eo no hijerena ny CV sy hanaovana sahady  ny dinidinika am-bava (entretien)  raha ny tati-dRanarivelo Mamisoa, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny AS’Sidus. Tolotr’asa manodidina ny 200 isaky ny orinasa iray no homena ny tanora ary misy ihany koa ireo oniversite telo afaka handefa ireo tanora  mitady vatsim-pianarana any ivelany. Olana ny tsy fahaizan’ny tanora Malagasy ny teny vahiny, indrindra ny teny frantsay. Saika mitaky fahaizana miteny vahiny hatrany mantsy ireny orinasa “call center” ireny. Misy ihany koa moa ireo orinasa hafa tahaka ny CNaPS, Orange, Open flex izay niezaka ny nandray ireo CV an’ny tanora Malagasy maro be tsy an’asa. Andiany voalohany moa ity hetsika tsy andoavam-bola ity ary tanora hatrany amin’ny 3.000 isa no andrasana hitsidika hatramin’ny anio.

Tsirinasolo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT