Mifamatotra amin’ny fomba amam-panao sy kolontsaina ary ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy na an-kafaliana na an-karatsiana ny toaka amin’ny ankapobeny.
Ny fary no tena fantatry ny besinimaro fa akora fototra hanamboarana ny toaka, dia ireny “rhum” isan-karazany ireny. Io rahateo no isan’ny tena fantatry ny besinimaro eto amintsika satria na ny tsy mpisotro aza dia mahalala ihany koa fa ny toaka gasy, dia avy amin’ny fary. Fantatro ary fa ny “vodka”, dia ovy no akora fototra hoenti-manamboatra azy ireny; ny “cactus” na ny raketa kosa no isan’ny ilaina betsaka raha hamboatra ny “tequiila”, ny katsaka, voasary mankirana, malt… kosa no isan’ny hanamboarana ny Whisky arakaraka ny karazany. Ampahany ihany ireo.
Maromaro ireo orinasa mpamokatra toaka sy zava-pisotro eto amintsika, toy ny Royal spirit, Dzama, Soredim, Vidzar,… izay misy ny manondrana ny vokatra any ivelany ireny satria isan’ny tena ankafizin’ny vahiny ny vokatra zava-pisotro misy alikaola vokarina eto Madagasikara, ankoatra ny famatsiana ny tsena anatiny. Ny orinasa iray fotsiny izay tsy tononina anarana, ohatra, dia nahalafo 3 000 000 tavoahangy teo ho eo, tamin’ireo kazaran-toka vokariny ny volana janoary 2019 teo. Raha miakatra ny saran-dalàna, miakatra ny vidim-bary, misondrotra ny faktioran’ny jirama,… dia matetika mimenomenona ny olona. Rehefa ny toaka na ny labiera kosa no misondrotra tsy mba misy olana firy, ary tsy mampiretika, ary ny “bar” dia mandeha foana ny tsenany amin’ny ankapobeny, ka izay no isan’ny mampirongatra fitsanganany saika isaky ny elakelan-trano, n’aiza n’aiza eto Madagasikara. Aleo zaraina amintsika eto fa ny hoe: “BAR”, dia nentin’ny vazaha nanafohizana ny hoe: “Boire à Répetition”, izany misotro matetika na miverimberina!
BAR manakaiky vahoaka
Tokony ho “bar” iray isaky ny mponina 1 500 no fenitra. Tsy tokony hifanakaiky ny mpivaro-toaka na samy ara-dalàna aza, fa misy elanelana eo amin’ny 150 metatra. Tsy tokony hanakaiky fiangonana, sekoly,… Amin’ny ankapobeny anefa eto amintsika dia tsy voahaja izay lalàna izay satria ny 80% amin’ny toeram-pisotroana, izay saika hita any anelakelan-trano no tsy manara-dalàna, indrindra fa ny eny ambany tanàna misy ny fiarahamonina sokajiana ho sahirana. Lojika raha maro ny roboka amin’ny toaka satria toa zary lasa sangisangy zary tenany aza ny hoe: “Bar manakaiky vahoaka”. Tsy rahahiana intsony ny hoe: tsy afaka mividy sy misotro zava-pisotro misy alikaola ny ankizy sy ny zaza tsy ampy taona satria zaran’ny mpivarotra aza mahalafo. Isan’ny mitarika korontana miainga ao an-tokantrano, mipaka amin’ny fiarahamonina anefa ny tsy fahafehezana azy io.
Nahoana no voarara sy tsy azo antoka ny toaka gasy?
Isan’ny miroborobo eto amintsika ny famokarana sy ny fivarotana toaka Gasy, izay mora kokoa. Olana tsy fisian’ny sivana sy ny fenitra tena azo antoka, ka izay no mahatonga ny fandraran’ny fanjakana ny famokarana azy. Misy, ohatra, ny akora, toy ny “methanol” sy “ethanol” ao anatin’ny toaka vokarina amin’ny alalan’ny fary. Tokony handalo Laboratoara ny fitsirihana ny fandanjalanjana ny tahan’ireny, saingy tsy misy izany ho an’ny toaka Gasy, kanefa mety hiteraka aretina na hampidi-doza, toy ny fahatapahan’ny lalàn-drà (AVC) na fahafatsena mihitsy aza. Ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola tsy nahazoana alalana amina toerana manokana, eny an-kalamanjana, na mandehandeha, dia voararan’ny lalàna ary handoavana onitra 10 000Ar isaky ny litatra ary mampigadra 1 ka hatramin’ny 2 taona an-tranomaizina, miampy fanagiazana ny entana mety mbola tehirizina (araka ny voalazan’ny andininy 20.01.68 amin’ny lalàna ankapoben’ny hetra). Mihantra amin’ireo tratra mamokatra izany kanefa tsy manana fahazoan-dàlana ihany koa io.
SARY 2: Voarara ny toaka gasy noho ny tsy fahafenoana fenitra ara-dalàna
Tsy mety afa-po, fa nahoana ?
Amin’ny ankapobeny, dia tsy mety afa-po loatra amin’ny iray ny mpisotro rehefa tojo zava-pisotro misy alikaola. Ny ankamaroan’ny “mpirevy” dia saika ohatr’izay avokoa, ka raha mbola misy ny hoenti-manana hahafaha-manohy io revy io, dia mitohy hatrany. Isan’ny anton’io, raha ny fanazavan’ny manam-pahaizana ny mety ho fisian’ny akora mandrisika hisotro toy “formol” na akora hafa, izay mampitady sy mampite hisotro foana, ary ny labiera matetika no mety ahitana an’io. Mety ho resaka ara-barotra sy hampandeha ny tsena ny fisian’io amin’ny famokarana amina indostria maro maneran-tany satria, raha ny fenitra iraisam-pirenena tsy tokony hisy an’izay, hoy ny fanazavan’ny manam-pahaizana iray. Antony hafa ihany koa anefa ny fahatsapana fahafinaretina noho izy manetsika ny retsika amin’ny vatana no sady manaitaitra, ka satry hisotro foana.
Araka ny efa natsipy tetsy ambony, dia mampihetsika ny retsika eo amin’ny vatan’olombelona “éxitant” ny alikaola, ka mahatonga azy ho lasa sahisahy. Maro rahateo aza no miteny rehefa handeha handray zava-pisotro misy alikaola hoe: “ody risika kely”. Rehefa mitohy ny fisotroana ka miakatra ny tahan’ny alikaola dia manomboka tsy voabaikon’ny atidoha ny vatana satria miantraika any amin’ny lalàndra sy mitroka ny siramamy ao aminy ny alikaola. Izany no mety hitarika any amin’ny tsy fahatsiarovan-tena na “coma éthylique”
Ireo sokajy
Arakaraka ny lanja sy fatran’ny alikaola ao anatiny no hanasokajiana ny zava-pisotro misy alikaoka. Ny zava-pisotro misy tahana alikaola mihoatra ny 14° no sokajiana amin’ny hoe : « Boissons alcooliques », ka isan’izany ohatra, ny rhum, vodka, whisky…) ; ao anatin’ny sokajy « Boissons d’alimentation » kosa ny misy tahan’alikaola 2° hatramin’ny 14°, toy ny divay, labiera, champagne…, ary « boissons hygiéniques » ny latsaky ny 2°, toy ny limonady, sirop, café,…
Ny fatra tokony ho zakan’ny olona
Amin’ny ankapobeny dia manome 10g amina alkaola madiorano (alcool pur) ny vera iray 25cl amin’ny labiera misy tahana alikaola 5°, 10cl amin’ny Champagne 12°, 10cl amin’ny divay 12°, 3cl amin’ny Whisky 45°,… Samy manana ny vera fisotroana azy avy ireny karazana zava-pisotro misy alikaola ireny. Ho an’ny lehilahy, dia tsy tokony hihoatra 3 vera ao anatin’ny iray andro ny zava-pisotro misy alikaola sotroina, raha 2 vera kosa izany ho an’ny vehivavy. Tokony hisy iray andro tsy tokony mihitsy ao anatin’ny herinandro iray.
Inona avy ny aretina mety ateraky ny toaka ?
Maro ny aretina mety ho azo toaka fa ampahany ihany ireto: hépatite alcoolique, cirrhose du foie (mamotika ny aty), pancréatite (manimba ny sarakaty), trouble du système nerveux (fikorontanan’ny fiasan’ny lalàndra),..., hoy i Dr RR, raha nanontaniana mikasika azy io.
Inona atao raha te hiala amin’ny toaka ? Misy fanafody manokana ve ?
Ny dingana fialana aloha arakaraky ny “degré d'alcoolisme” izany hoe ny fatra sy ny tahan’ny alikaola noho ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola, hoy ny fanehoan-kevitry Dr RR. Raha tsy tena « alcoolique » izany hoe ireo mety sokajiana ho « tranon-toaka », miankin-doka na « dépendant(e) » dia finiavan'ilay olona hiala fotsiny no zava-dehibe fa raha tena efa roboka sy tsy mahazo aina raha tsy mandray azy ilay olona dia eo ilay misy dingana, izany hoe ampidinina moramora ny daozy miaraka fanafody satria mety hanao krizy raha miala tampoka! Ny fanafody dia misy karazany maro, raha ny nambarany ka misy, ohatra, fanafody mampidina ny faniriana hisotro na ilay antsoina hoe : « envie », misy fanafody mankarary rehefa misotro,... raha ny fanazavany !
Nandrindra sy nanatontosa : Toky RAFALIMANANA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.