Nihamafy ny fidanganam-bidim-piainana ny taona 2020 ka tokony hampiharina haingana ny lalàna fiarovana ny mpanjifa, hoy ny filoha mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Ralita. Ilaina,
hoy izy ny fametrahana ny Masoivoho manokana ho fiarovana ny Mpanjifa satria na dia eo aza ny lalànan’ny tolotra sy tinady mety hiteraka fisondrotam-bidim-piainana dia misy mihitsy ihany koa ny fanararaotana. Mety nisy ihany koa ny fanapahan-kevitry ny fanjakana nahatonga ny fidanganam-piainana tahaka ny fampiakara ny karaman’ny mpiasam-panjakana kanefa tsy narahana aro fanina. Azo ekena raha mitaha amin’ny vidim-piainana izay misondrotra isan’andro ny fanondrotana ny karama saingy tokony hisy hatrany ny aro fanina miara-dalana amin’ireny fandraisana fanapahan-kevitra ireny mba ho tombony ho an’ny mpanjifa sy ny toekarena mihitsy. Hatreto aloha dia ambony ary miakatra hatrany ny tahan’ny sondro-bidim-piainana nanomboka ny taona 2017 hatramin’ny faran’ny taona 2019 ary mipaka indray aty amin’ny taona vaovao izany. Tokony hotazonina ho 6% anefa izany raha ny nambaran’ny teo anivon’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI). Miseho tsikelikely sy miandalana amizao ny lala-mankany amin’ny fidanganam-bidim-piainana izay mihamafy hatrany. Eo ny fiakaran’ny entana ilaina andavanandro izay mampikaikaika ny Malagasy ary saika manao izay saim-pantany fotsiny ireo mpivarotra. Ilaina ny fanamafisana ny asan’ireo sampana mazava mijery manokana ny fisondrotan’ny entam-barotra hiadivana amin’ny fanararaotana. Mijaly ny mpanjifa ary andrasana ny fandraisana fanapahan-kevitra avy amin’ny fanjakana satria efa miaina tanteraka anatin’ny fisondrotam-bidim-piainana isan’andro ny Malagasy kanefa ny fahefa-mividy latsaka ambany dia ambany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.