Tsy azo tsinontsinoavina intsony ny tontolo iainana, indrindra ireo biby sy zava-maniry eto Afrika, hoy ny fanambarana avy amin’ny orinasa misehatra amin’ny nomerika Startimes.
Natao izany omaly tany Pekin nandritra ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny Wild-Aid sy Startimes hiarovana ny biby eto Afrika. Mahakasika ny jery todika 2019 dia tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra taona 2019 lasa teo no efa nahazo ny fankatoavana hampiaina mivantana ny ekipa nasionalin’ny UEFA taona 2019 hatramin’ny 2020 ny Startimes. Ankoatra ny ligue des nations 2020-2021 dia anisan’izany ny Euro izay hatao ny 12 jona ka hatramin’ny 12 jolay ho avy izao. Taom-pahombiazana ny taona 2019 lasa, hoy ny fanambarana satria mari-pankasitrahana miisa 15 no azon’ny Startimes tamin’ireo firenena miisa 9. Nahazo ny loka tsara indrindra tamin’ny firenena 3 izy ireo ka anisan’izany i Kenya i Ouganda ary Ghana. Eo amin’ny sehatra teknolojia dia efa misy ny application Startimes ON izay nomen’ny DIAA Award of Excellence ny laharana voalohany tamin’ny taon-dasa. Nanambara ny filoha lefitry groupe Startimes Luis Lu tany Pekin omaly fa ny antom-pisian’io fahitlavitra nomerika io dia ny hampifandraisana lalina an’i Afrika sy Sina amin’ny lafiny maro. Amin’izao fotoana izao dia misehatra amin’ny fiarovana ny biby sy ny natiora eo amin’ny firenena afrikanina ny startimes satria tsy ampy fotsiny, hoy izy ny firosoana amin’ny teknolojia avo lenta raha tsy hiaro ny tontolo iainana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.