Dossier

Fironan’ny Malagasy amin’ny asa tena Misy akony ratsy amin’ny toekarena


  • Alakamisy 31 Janoary 2019

Maro be amin’izao ny Malagasy miroboka amin’ny asa tena. Vitsy koa moa ny orinasa mandray mpiasa kanefa betsaka ihany koa ireo tsy te hiditra anaty orinasa fotsiny izao.

Ny ankamaroan’ny Malagasy aza moa dia tsy tia fehezina anatin’ny fifanarahana arak’asa akory. Satrin’ny maro tsy handoa hetra fa hiaina amin’ny fiainana mandeha ho azy fotsiny. Efa toe-tsaina mipetraka eto Madagasikara ilay aleo mandray vola kely isan’andro dia tsy misy arakaraka toy izay voafehy anatina orinasa. Antony mahatonga ny firoboroboan’ny sehatra tsy ara-dalàna izany izay tena mandrodana ny toekarena.  Mety mahavelona ihany ny fironana amin’ny fanaovana asa tena saingy raha maro be tahaka ny misy eto Madagasikara dia tsy hita ny akony mivaingana ary tsy ho tombony ara-toekarena mihitsy. Iaraha-mahita fa ny firenena manankarena dia ireo firenena maro orinasa sy indostria izay tena mampiasa mpiasa maro ao aminy. Ny eto amin’ny firenena anefa dia ny orinasa afaka haba no mba mampiasa olona maro. Iaraha-mahalala ihany anefa ny zioga lanjain’ny Malagasy any anatin’ireny orinasa ireny. Hiandrasana ny filoham-pirenena vaovao hanova ny toe-tsaina Malagasy izany ary hanolotra ireo vahaolana amin’ny fampananan’asa sy fananganana orinasa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT